Tontolo iainana : Hatao nosy tsy misy plastika i Sainte Marie

Nosokafana tany amin’ny Nosy Boraha, na Sainte Marie, omaly hatramin’ny 4 jona izao, ny fankalazana tamin’ny fomba ofisialy, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tontolo iainana (JME).

Nitarika ny fotoana ny mi­nisitry ny Tontolo iainana (Medd), Max Ando­ni­rina Fontaine, ny so­lombavamba­hoaka Imbiki Herilaza ary ny tomponandraikitra maro. Loha­hevitra ny hoe : « Fanafoanana tanteraka ny fandotoan’ny fako plastika ny tontolo iainana ».
Nohamafisin’ny minisitra Andonirina M. Fontaine, fa no­safidiana manokana ny Nosy Boraha hankalazana ny JME, satria manana harena voajanahary miavaka ny any an-toerana. Toy ny fizahantany, ny fambolena, ny fiompiana, ny jono, ny taozavatra, … Zava-dehibe manokana ny ha­metrahana azy ho « Nosy tsy misy plastika ».
Tafiditra ao daholo ny mpisehatra voakasika rehetra, toy ny kaominina, ny fokontany 17, ny minisitera isan-tsokajiny, ny mpandraharaha ara-pizahantany, sns.
Nomarihiny fa tombanana ho 20 taonina isan-kerinandro ny fako ao an-tampon-tanànan’i Sainte -Marie. Miisa 6 000 isan-taona ny tavoahangy plastika avy amin’ny trano fiantranoana sy fisakafoana iray. « Azo ahodina ho vokatra hafa indray ireny akora plastika ireny », hoy ihany ny minisitra.
Efa voarain’ny minisitera ny antontan-taratasy mirakitra ny volavolan-dalàna ho Faritra Arovana an-tanety (AP) sy Faritra arovana an-dranomasina (APM) ny Nosy Sainte Marie.
Maro ny hetsika atao any an-toerana amin’izao fankalazana ny JME izao. Festival tao an-tampon-tanàna, fifaninanana « Question pour un champion », fanomezana fitaovana fanadiovana, fanapotehana fako, fitsidihana tranoheva, famelabelaran-kevitra, sns.

Njaka A.

Partager sur: