Mpianatra 14 naratra vokatry ny tora-bato sy fifamonoana tao amin’ny tranon’ny mpianatra, tany Ambondrona, afakomaly alina. Maro ihany koa ny trano sy fotodrafitrasa simba vokatr’izany. Ady toerana hanaovana fivarotana, teo amin’ny samy mpianatra avy any amin’ny faritra Sava sy Sofia ny anton’ny olana, raha ny fanazavana voaray. Efa mandray andraikitra manoloana izao ny tomponandraikitra rehetra any an-toerana.
Lehilahy iray voasambotra noho ny fidorohana sy fihazonana rongony tetsy Ankerana, afakomaly. Nahitana fonosana rongony miisa 19 teny aminy. Nentina nanaovana fanadihadiana eny anivon’ny Kaomisaria izy taorian’izay. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny hetsika tahaka izao.