Nametraka ny tantarany ao anatin’ny fifaninanam-pirenena ihany koa, ankehitriny, ny ligin’i Matsiatra Ambony. Nandrombaka anaram-boninahitra roa izy ireo nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe ho an’olon-droa miaraka.
Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Soamandrakizay, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe ho an’olon-droa miaraka. Nisongadina ny zava-bitan’ny ligin’i Matsiatra Ambony tamin’ity. Nitondra anaram-boninahitra roa nody izy ireo, taorian’ny lalao. Anisan’ny nandrombahiny ny fandresena ny teo amin’ny sokajy senior, vehivavy, tamin’ny alalan’i Hasina sy i Judicael, mpilalaon’ny SBA. Resin’izy mirahavavy teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 7, ny UBM, nahitana an’i Fenitra sy i Marinah. Mbola lasan’io ligy io ihany koa ny junior, nisy an’i Jessia sy i Franco, avy amin’ny HMPC+. Lavon’izy mirahalahy tamin’ny isa mazava, 13 no ho 3, i Nathanael sy i Elio, mpilalaon’ny Pac Ampitatafika.
Ho an’ny senior, lehilahy, norombahin’ny Pac, nisy an’i Balôty sy i Salohy, ny amboara sy ny lelavola 2 tapitrisa Ar. Niondrika teo anatrehan’izy mirahalahy nandritra ny famaranana ny ekipan’ny CPA Ambohimangakely, notarihin’i Herimamy sy i Vonjy. Nisaraka tamin’ny isa, 13 no ho 11, ny roa tonta. Ho an’ny véterans indray, ny AS Fanalamanga no voahosotra ho tompondakam-pirenena, nisy an’i Jhonny sy i Marcellin. Lavon-dry zalahy, tamin’ny isa 13 no ho 8, i Ndrema sy i Joachim avy amin’ny C2BA Vakinankaratra.
Niisa 7 ireo ligim-paritra nanatrika ity fifaninanam-pirenena ity, Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Menabe, Itasy, Atsinanana, Alaotra Mangoro ary i Boeny. Nahatratra 225 ireo ekipa teo amin’ny lehilahy, raha 58 ny vehivavy. Nisy 38 ho an’ny sokajy zandriny raha 51 ny zokiny.
Tompondaka




