Vola hatrany amin’ny 16 miliara Ar no nomen’ny fanjakana Japoney amin’ny alalan’ny Jica an’i Madagasikara hanohanana ny rafi-pampianarana teknika sy hanatsarana ny lentan’ny mpianatra ary hiomanana sahady amin’ny tontolon’ny asa.
Mitetina hatrany amin’ny 16 700 000 000 Ar na 531 000 000 Yens Japoney ny tohana nomen’ny Agence japonaise de coopération international, (Jica) ny governemanta malagasy hanohana ny fampianarana teknika. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fanofanana mifanaraka amin’ny fivoaran’ny toetr’andro ho an’ny LTP Toamasina, Alarobia ary Ampasapito. Vaindohan-draharahan’ny fanjakana rahateo ny hampakarana ny lentan’ny mpianatra hanomana azy hiditra eo amin’ny tsenan’ny asa. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manaony, ny fampitaovana teknika moderina sy mifanaraka amin’ny toetr’andro. Hifanolo-tanana ny minisiteran’ ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny Jica amin’ny fanatanterahana ny tetikasa.
Mpiara-miombon’antoka
Fanamafisana fiaraha-miasa stratejika eo amin’i Japon sy Madagasikara ity vita sonia ny alatsinainy teo ity. Nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, fa « fanantenana vaovao ho an’ny rafi-pampianarana izao fa tsy fanomezana fotsiny ». « Tanjona lehibe apetraky ny fiaraha-miasa Nippo-Malagasy ny hanohana ireo ezaka ataon’ny fanjakana hanamafisana ny harena maha-olona, indrindra amin’ny alalan’ny fanohanana ny tanora », hoy kosa ny solontena maharitry ny Jica eto Madagasikara, Odawara Kosuke.
Marihina fa tosika ho an’ny famoronanasa ho an’ny tanora sy hampihena ny tahan’ny tsy fananana asa sy ny fahantrana ny fanomezana toy izao. Tsiahivina fa manodidina
ny 300 000 ka hatramin’ny 500 000 isan-taona ireo tanora miditra eo amin’ny sehatry asa eto Madagasikara saingy mbola tsy mahasahana ny filàna ny asa misy eto amintsika.
Henintsoa