Lehilahy nofatoran’ny loka : Nosolokiany ny 93 tapitrisa Ariary, an’ny mpampiasa azy

Voasambotry ny polisy tetsy Ivato, omaly, ny lehilahy iray tratra nisoloky sy nandany ny volan’ny mpampiasa azy mitentina 93 tapitrisa ariary tamin’ny filokana.

Voasambotry ny polisin’ ny Cybercriminalité Anosy omaly, tetsy Ivato, ny lehilahy iray 23 taona, voarohirohy ho nandany sy nisoloky vola mitentina 93 tapitrisa Ariary, an’ny mpampiasa azy. Niaiky ho naka io volabe io izy ary laniny tamin’ny loka avokoa zany, nandritra ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana taminy. Nosinto­niny antsokosoko tao anatin’ ny findain’ny mpampiasa azy io volabe io, ary nafindrany tamin’ny findainy. Nanomboka nanao io teti-dratsy io izy ny volana janoary lasa teo. Tsy nahatsikaritra fahabangana tao anaty kaonty anefa ilay mpampiasa azy tamin’izany. Rehefa nandeha ny fotoana, tsikaritr’ity mpampiasa azy ihany ireo fahabangana nihoapampana tao anaty kaontiny ka nitory teny anivon’ny ma­nam-pahefana izy. Nisokatra nanomboka teo ny fanadihadiana sy ny fikarohana ka nahafahana nisambotra ity tovolahy ity.

Mpiasa natokisan’ny mpampiasa azy
Nanomboka niasa tao amin’io olona mpampiasa azy io ity lehilahy voasambotra ity ny taona 2017. Niandraikitra anjara asa maro tao amin’io toeram-piasana io izy, araka izany. Anisan’izany ny naha lehiben’ny orinasa azy, miandry sy manara-maso ny entana miditra sy mivoaka, mitantam-bola sy ny maro hafa. Hirahin’ny mpampiasa azy maka vola amin’ny findainy matetika ity voarohirohy ity, noho ny fifampitokisana nisy teo amin’izy ireo. Nanararao­tra izany, namindra sy naka ireo vola tsikelikely tamin’ny findainy anefa ity mpiasa. Nam­piasa carte SIM telo samihafa, nisy compte mobile Money mifamatotra amin’ny kaonty any amin’ny banky, ity lehilahy ity, nahafahany nanatanteraka ny teti-dratsiny. Anisan’ny mpiasa tena natokisan’ny mpampiasa azy izy, kanefa izao nivadika sy nisoloky izao.
Taorian’ny fisamborana, notanana atao andri-maso sy anaovana fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny polisy ity lehilahy ity amin’izao fotoana izao. Atolotra ny fitsarana kosa ny raharaha aorian’ny famotorana atao aminy.

Mino

Partager sur: