Nahazo 40 tapitrisa Ar : Olona enina voasambotra

Nanao fisolokiana nandritra ny fito taona, enina miana­dahy mianaka voasambotry ny polisy tao Antsirabe, ny 30 mey teo. Nitrangana fisolokiana tao Andranomaimbo-Antsirabe, ny volana febroary teo. Nanipazan’ireo olon-dratsy vola 100 Ar madio be niampy vovo-bolamena nifono anaty harona plas­tika ny vehivavy iray. Mody nilaza ho niara-nahita tamin’ilay mpandalo ny mpisoloky ka hozarain’izy ireo ny vovo-bola­mena. Nokasihin’ireo mpanao ratsy ilay vehivavy ka tsy naha­tsiaro saina intsony. Nalain’ireto mpisoloky moramora avokoa ny entana sarobidy teny aminy. Mifindra olon-kafa ary nanohy io asa ratsy fanaony io ireo mpanao ratsy ireo. Nanao hetsika manokana hisamborana ireto farany ny polisim-pirenena eo anivon’ny fitaleavam-paritra Vakinankaratra. Tratra avokoa ireo olona miisa enina miray tsikombakomba manao io fisolokiana io.

Tsiferana R.

Partager sur: