Tetikasa Sambatra: Mpanao taozavatra miisa 67 nofanina

Nosokafana ny talata 27 mey teo, tetsy Andavamamba, ny fanofanana arakasa ho fanohanana sy fampivoarana ny tanora sy ny vehivavy tokan-tena. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA) amin’ny alalan’ny tetikasa Sambatra, sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ary ny fikambanana Action et Education, ao anatin’ny tetikasa Sandratra. Tsiahivina fa natao sonia ny volana avrily teo, ny
fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny telo tonta. Miisa 67 ireo misitraka ny tohana, avy amin’ny boriborintany I sy III. Hiofana mahakasika ny fanaovana zaitra « crochet », ny fanenomana (vannerie), ny zaitra lamba. Eo koa ny fanaovana mofo sy tsindrin-tsakafo (pâtisserie) miaraka amin’ny fanomezana azy ireo ny fitaovana fanaovana mofo.
Haharitra 10 andro ny fanofanana, miampy ny fanohanana ara-tsaina. Atsy aoriana kely, hojerena ny fahafahan’ireo nahavita fiofanana miditra amin’ny sehatry ny asa. Tafiditra ao ana­tin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) amin’ny fampiroboroboana ny fiahiana ny maha olona, ity tohana omena ny tanora sy ny vehivavy tokan-tena ity.

Njaka A.

Partager sur: