TSELATRA

Voasambotra omaly, ireo olona roa nan­doro ny trano iray tany Tsararivotra Atsinanana, Amborovy Mahajanga, ny alahady lasa teo. Anisan’ izany ny tovovavy mpanampy an-trano teo aloha sy ny lehilahy iray nanampy azy nanatanteraka ny asa ratsy. Norobaina sy nodoran’izy ireo ny trano ary
notsatohan’izy ireo tamin’ny antsy ny tovolahy nija­nona niandry trano. Mbola misy ireo olona hafa
karohina niray tsikombakomba tamin’izao asa ratsy izao.
Nidona tamin’ny fiara 406 iray nifanena taminy ny lehilahy iray nitondra moto scooter, tetsy Tsarasaotra Ivato, omaly maraina. Avy any Ivato ary hihazo an’Antananarivo izy io. Nisongona fiara iray teo alohany izy ary nifanehatra sy nidona tamin’ilay fiara iray nifanohi-dalana taminy. Tsy nandefa jiro famantarana ny fisiany izy ka tsy hitan’ilay fiara nifanena taminy noho ny fisian’ny zavona teny an-dalana, anton’ny loza. Nentina eny anivon’ny hopitaly moa izy noho ny ratra mafy nahazo azy.
Mirotsaka an-tsehatra mifandray mivantana amin’ny mponina ny Brigade féminine de proximité (BFP) nanomboka omaly. Manao fanentanana amin’ny ady amin’ny herisetra sy ny mahakasika ireo ambana amin’ny tsy fandriampahalemana izy ireo. Natomboka tetsy Analakely sy Ambohijatovo ny
hetsika voalohany. Tanjona ny hahazoana loharanom-baovao ara-potoana raha misy trangana tsy
fandriampahalemana na ilana ny firotsahana an-
tsehatra ataon’ny polisy.
Mpianatra ao amin’ny Sociologie eny Ankatso ilay lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka teny Ankatso, ny zoma lasa teo. Namerin-taona imbetsaka tao amin’ny taona faharoa (L2) izy io ary tsy voasoratra anarana intsony tamin’ity taona ity. Marihina fa tratran’ny olona nanao sinto-mahery teny amin’ny faritry ny tranon’ny mpianatra izy ary matin’ ny fitsaram-bahoaka.

Partager sur: