VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 16% na koa 602 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola vahiny (IDE) teto Madagasikara, ny taona 2024. Niakatra io taha io raha oharina ny tamin’ ny taona 2023 izay 519 tapitrisa dolara. Anisan’ireo mahasarika ireo mpampiasa vola vahiny eto amintsika ny sehatry ny fambolena, ny fizahantany, ny angovo, ny teknolojia ary ny fitrandrahana ka nahazoana izao vokatra izao.

Miisa 351 ny mpizahatany « polonais » nandeha ny kaompania Neos Air nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Fascène Nosy Be. Soa fanararaotra hampiroboroboana ny seha-pihariana sy ny hanatsarana ny fifanakalozana eo amin’ny firenena roa tonta ny fahatongavan’ireo teratany vahiny eto amintsika. Tanjon’ny fitondram-panjakana rahateo ny hahatrarana 1 tapitrisa mpizahatany ny taona 2028.

Laharana fahafito amin’ireo firenena tsara indrindra maneran-tany i Madagasikara, araka ny filaharana navoakan’ny « Rough Guides ». Voalaza fa anisan’ny mahasarika mpizahatany ny zavaboary sy ny karazan-javamananaina eto amintsika, izay tsy fahita any amin’ny firenena hafa. Mahasarika ireo teratany vahiny ihany koa ny torapasika fotsy eto Madaga­sikara.

Partager sur: