« SIAE andiany fahefatra »: Tombony ho an’ny fifanakalozana ara-barotra

Soa fanararaotra hampivoarana ny fandraharahana sy hitadiavana lalam-barotra any ivelany ny SIAE andiany fahefatra. Kendrena manokana ny hampiroboroboana ny fifanakalozana ho an’ny hoavy mamiratra ara-toekarena eto Madagasikara.

Maro ny tombontsoa ara-toekarena azo mandritra ny Ranty iraisam-pirenenan’ireo mpisehatra ara-toekarena «Salon International des acteurs économiques» (SIAE) andiany fahefatra, atao eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, hatramin’ny sabotsy izao. Ambohipihaonan’ireo mpandrahara maneran-tany sy vahiny mpampiasa vola ny hetsika hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra sy ho fampandrosoana ny toekarena. «Ankehitriny, mametraka ny diplaomasia ara-toekarena isika amin’ny fitadiavana lalam-barotra sy hisarihana ireo vahiny mpampiasa vola ho tonga eto Madagasikara. Mandray anjara amin’izany ny hetsika toy izao», hoy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Ratsimbazafy Eric, omaly, teny an-toerana. Tombony ho an’i Madagasikara ny fananana seha-pihariana maro samihafa azo trandrahina sy hisarihina ireo orinasa vahiny sy mpampiasa vola avy any ivelany, raha ny nambarany. Soa fanararaotra hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ho fametrahana ny politikan’ny fifanakalozana ary fitadiavana lalam-barotra ny SIAE, hanatsarana ny toekarem-pirenena ho an’ny hoavy mamiratra sy fanoitry ny fampandrosoana lovainjafy. Hihaona sy hifanakalo hevitra amin’ireo mpandraharaha, mandritra ny efatr’andro hanaovana ny hetsika, ireo matihanina hitondram-bahaolana sy hanatsarany ny lalam-pihariany.
Ankoatra izay, manohana ny mpandraharaha ny Yas Madagascar, tambajotram-pifandraisana izay efa mirona tanteraka amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra ho fampandrosoana ny niomerika eto amintsika.

Fanovana
Ankehitriny, miroso mankany amin’ny fanovana ara-toekarena i Madagasikara amin’alalan’ny fametrahana ny taninketsa indostrialy eny ifotony. Hampiroboroboana ny famokarana eto an-toerana sy hampihenana ny fanafarana izany. Manakaiky ireo orinasa madinika sy salantsalany ihany koa ny fitondram-panjakana hampandrosoana ny fandraharahana eto amintsika, izy ireny izay miantoka ny fampandrosoana ny toekarena sy ny harinkarena faobe.

Henintsoa

Partager sur: