Tsy azo ihodivirana ny delestazy ho an’ity taona ity. Lasa aloha loatra ny haintany, miiba ny famokarana herinaratra ao Andekaleka ka mahatonga ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny eto Antananarivo sy ny manodidina. Miakatra hatrany amin’ny 5% isan-taona ny fangatahana fampidirana herinaratra noho ny fitomboan’ny mponina ka mitarika ny tsy fahampian’ny fitsinjarana.
Mampitaraina ny mpiara-belona ny fitohanana eto an-dRenivohitra, amin’izao fotoana. Maro ireo voatery nanafoana na koa nanemotra amin’ny fotoana manaraka ny anton-diany noho ny zava-misy. Miantraika mivantana eo amin’ny toekarena, indrindra ho an’ny mpandraharaha sy ny fiara mpitatitra, ny fitohanana nanomboka ny alatsinainy teo. Manampy trotraka ny mpivarotra amoron-dalana izay mametraka ny tsenany anaty arabe.
Hamokatra gilasy 1 taonina isan’andro ilay milina mpamokatra ranomandry apetraka ao Toliara. Tanjona ny hahazoana mamatsy gilasy ireo mpanangom-bokatra sy ahafahany mitahiry sy mitatitra ny vokatra. Kendrena amin’ny fananganana ny fotodrafitrasa ny hanatsarana ny lalam-pihariana ho tombontsoan’ny rehetra sy ho an’ny fampandrosoana ny toekarena eny ifotony.