Nigadona eto Madagasikara, androany tamin’ny 2 ora maraina, ireo Malagasy miisa sivy notanana an-keriny tany Cameroun nandritra ny volana maro. Niainga tany amin’ity firenena ity izy ireo, afakomaly, ary izao tonga eto an-tanindrazana izao. Voafitaka tamin’ny asa hitany tao amin’ny tambajotran-tserasera ary notanana an-keriny tany izy rehetra ireo.
Anisan’ny nandrisika azy ireo handeha tany amin’ity firenena ity ny fisian’ny tolotrasa hitany tamin’ny tambajotran-tserasera. Tsy araka ny nampoizina anefa ny zava-nisy, rehefa tonga tany an-toerana. Napetraka tamin’ny trano iray ireo Malagasy fito sy kongoley enina. Natao tany amin’ny hotely kely iray kosa ny Malagasy roa hafa. Nampijaliana, tsy nomena sakafo, ary noterena hitaky vola tsy an-kijanona tamin’ny havany teto Madagasikara izy rehetra ireo, raha ny fanazavana voaray. Nampanantenana asa tsara karama tao amin’ny hopitaly sy orinasa lehibe any Yaoundé ireto olona voafitaka ireto. Voafandrika tao anaty tambajotra mpanao trafikana olona tany Yaoundé, renivohitr’i Cameroun, ireo Malagasy miisa sivy sy Kongoley enina ireo.
Nampahafantatra ny zava-nanjo azy ireo tamin’ny havany taty an-toerana ny sasany tamin’ireo Malagasy ireo ka nahalalana ny zava-nisy marina. Marihina fa nanampy betsaka azy ireo tany an-toerana sy amin’izao fodiana izao ny fikambanana Madcam izay tarihin-dRakotomanjato Ramizavelo Haingotahiana.
Mino




