“PFL”- Baolina nolavin’ny mpitsara : Nametraka fitarainana any amin’ny FMF ny AS Fanalamanga

Tsy manaiky ny fandavan’ny mpitsara ny baolina matiny nandritra ny fihaonany tamin’ny CFFA ny AS Fanalamanga. Araka izany, nitondra ny raharaha eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra izy ireo. Takiny ny hanekena ny baolina maty ka handreseny 2 no ho 0.

Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny tomponandraikitry ny AS Fanalamanga, ny alakamisy lasa teo, teny Nanisana. Miantso ny Fede­rasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) hijery ny fahadisoana nataon’ny mpitsara nandritra ny lalao ampahefa-dalana miverina nikatrohany tamin’ny CFFA, teny amin’ny kianja Elgeco Plus, ny alahady 1 jona teo, izy ireo. Nambara fa nivoaka teny am-panidinana ny tolotra nataon’i Rado ka namonoan’i Legende ny baolina teo amin’ny minitra faha-59. Tsy hita anefa izany, rehefa nojerena tamin’ny horonantsary avy amin’ny mpanao gazety, araka ny tatitra nataon’ireo mpitantana ny ekipa. «Faharatsiam-panahy tsotra izao, no nataon’ilay mpitsara an-jorony voalohany, izay tsy iza fa mpiasa eo ambany fitantanan’ny filohan’ny klioba CFFA», hoy i Hasinarivo Tantely Harimino Flavien, filohan’ny AS Fanalamanga.
Araka izany, nametraka fitarainana eny anivon’ny FMF izy ireo. «Matoky ny fahendren’ny federasionina izahay satria nanatrika ny lalao teo ny filohany sy ny mpikambana vitsivitsy ary nahita ny zava-nisy», araka ny nambaran’i Hasinarivo Tantely ha­tra­ny. Nilaza i Rivo, mpandrindra ny ekipa fa «angatahin’izy ireo ny hanekena ny baolina maty ka nandreseny 2 no ho 0. Na averina ny lalao ka tsy hijerena izay fihaonana efa vita ka izay resy eo dia resy». No­ma­rihin’ny tomponandraikitra fa tsy klioba mpamboly korontana ny AS Fana­la­manga, saingy mitaky ny mangarahara anaty lalao. «Tsy manana olana amin’ireo rafitra mitantana (CFEM, CCA, FMF) izahay fa tsy azo ekena ny olona tsy matimanota manimba ny baolina kitra malagasy», namaranan’izy ireo ny teniny.

F.R

Partager sur: