Baolina kitra fanomanana: Resin’i RD Congo ny Barea

Nitolefika nanoloana ny Leopards-n’i RD Congo ny Barea de Madagascar, nandritra ny lalao fihantsiana natao tany Orleans France, ny alahady lasa teo. Niondrika tamin’ny isa 3 no ho 1 ny Malagasy. Vokatra, nandiso fanantenana ny mpankafy baolina kitra teto Madagasikara. Nosahiranin’ny Kongole ny mpilalao malagasy. Nanantombo teo amin’ny famezivezena ny baolina sy ny fanafihana ry zareo ary nanjakany ny teo afovoan’ny kianja. Nanokatra ny isa i Banza, teo amin’ny minitra faha-28 ary mbola nampian’i Wissa izany, minitra faha-33. Tsy nahatosika mihitsy ny lohalaharana malagasy, notarihin’i Arnaud. Nentin’ny roa tonta niala sasatra ny isa 2 no ho 0. Fidirana faharoa, mbola nanao totoafo hatrany ny kongole ka minitra faha-62 nampiditra baolina fanintelony i Banza. Efa nazava ny fandresen-dry zareo teo. Namezivezy baolina sisa nataony. Nivoaka sempotra kosa ny vodilaharana malagasy, tamin’ny fanafihana nataon’ireo lohalaharana kongole. Efa tany amin’ny fanampim-potoana 90 + 2 mn vao nahafaty ny baolina tokana ho an’ny Malagasy i El Hadary.

Tompondaka

Partager sur: