Cosafa Cup: Nahazo isa 4 ny Barea fa tsy mbola tafita

Mitarika vonjimaika ny Barea de Madagascar, ao amin’ny vondrona “C” eo amin’ny fiadiana ny “Cosafa cup”. Fandresena iray nanoloana an’i Tanzanie ary ady sahala tamin’i Eswantini, ny vokatra azon’ny Malagasy saingy tsy mbola tafita fa hiankina amin’ny andro farany vao ho fantatra izay hanohy ny dia.

Teo ho eo ny vokatra azon’­ny Barea de Mada­gas­car (A’), amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa cup), taranja baolina kitra. Manana isa 4 taorian’ireo lalao roa ao amin’ny vondrona “C”. Ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja Toyota Stadium, Afrika Atsimo, nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 nanoloana an’i Tanzanie ny Barea. Baolina tafiditr’i Toky, teo amin’ny minitra faha-29. Omaly indray, tao Seisa Rama­bodu Stadium Afrika Atsimo ihany, nisaraka ady sahala 1 sy 1 nanoloana an’i Eswan­tini izy ireo.
Nifandanja ny fihaonana ary saika nitovitovy fomba filalao ny roa tonta saingy lesoka ho an’ny roa tonta ny famaranana. Ny Barea no nampiditra ny baolina voalohany, teo amin’ny minitra faha-41, ta­min’ny alalan’i Lalaina rehefa nahazo tolotra nifarimbonan’i Dax sy i Toky. Efa samy nieritreritra ny rehetra fa efa azo ny tapakila hiatrehana ny manasa-dalana. Nanindry hatrany anefa ny Eswantini ka nanasahala ny isa, teo amin’ ny minitra faha-61, taorian’ny fahadisoana nataon’i Feno ka nahazoan’izy ireo “coup franc”. Maty izany rehefa nodakan’i Andy Junior Magagula izay nahavery an’i Toldo, mpiandry tsatoby malagasy.
Samy niezaka nanafika taorian’io ny ekipa roa tonta. Betsaka ny baolina tokony ho tafiditry ny Malagasy saingy maika loatra ireo lohalaha­rana. Anisan’izany ny an’i Cristiano (70 mn) sy ny an’i Toky (85 mn). Nisy ihany koa ny an’i Eswantini fa ratsy ny famaranana satria tratry ny fikoropahana. Hiankina amin’ ny lalaon’i Eswantini sy i Tan­zanie izany ny hahalalana izay ho tafakatra. Raha man­dresy 2 no ho 0 i Eswantini dia izy ireo no manao ny manasa-dalana.

Tompondaka

Partager sur: