Rendrika tanteraka ny Makis Ladies, nandritra ny andro voalohany niadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2025), taranja rugby ho an’ olona 15 sokajy «performance». Fihaonana notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Andohatapenaka. Resin’ny Liona-n’i Kenya tamin’ ny isa mazava 28 no ho 5 izy ireo. Nofehezin’i Kenya hatramin’ny farany ny Makis ka tsy afaka nikofoka. Tsy nahita irika namakiana ny rindrimbe kenyanina ry Laurence sy Sophie ary Sariaka sy Jinah. 18 mn nilalaovana, nanokatra ny isa i Kenya rehefa nahatonga baolina nentin-tanana saingy tsy voatsara. Tsy nijanona teo fa mbola nanindry baolina indray izy ireo ary voatsara ka nitarika tamin’ny isa 12 no ho 0. Minitra faha-32 vao nahavaky atody ny Makis Ladies, rehefa nahatsindry «essai» i Olivia saingy tsy voatsaran’i Sophie izany ka isa 12 no ho 5 no nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Fizaram-potoana faharoa, tsy nahatonga baolina tao anaty faritry ny 22 m mihitsy ny Makis Ladies ary tsy nahazo na «hors jeu» iray aza. Vokany, nisesy ny baolina nentin-tanana azon’ny kenianina. «Sahirana ny mpilalao malagasy teo amin’ny fanaovana «dégagement» ka nanome tombony ho an’ny kenianina», hoy i Alain, mpanazatra. Hidona amin’i Ouganda ny Makis, rahampitso alarobia. Ry zareo Ogandezy izay nomontsanin’i Afrika Atsimo, tamin’ny isa mavesatra 62 no ho 7.
Tompondaka