Kaominina Maromitety : Misendra olana mahakasika ny fambolena

Anisan’ny faritra ma­mo­katra lavanila ny kaominina Ma­romi­tety. Misedra olana manoloana ny karazam-pambolena isan-karazany fa­naon’ny mponina anefa ny fokonolona ao amin’ny fokon­tany maromaro mandrafitra io kominina io, anatin’ny disitrikan’i Vavateni­na, faritra Analanjirofo.

Raha ny hita taratra nandritra ny fitsidiham-paritra nataon’ny mpanao gazety nidina ifotony, amin’ny akapobeny, fokontany ani­san’ny mamokatra lavanila ao anatin’ny disitrikan’i Vavate­nina, ireo fokontany nandalovana. Anisan’izany ny tao Mo­rafeno, Antsirakoraka, Ambo­dimangan’i Sahavaviana, Ambatovaky, Antsirabe, Amo­sotrakondro ary ny tao Antsa­ra­honenana. Saingy amin’ izao fotoana, manahy mafy izy ireo ny mety ho fatiantoka haterak’izany vokatra tokony hampidi-bola nefa lasa mika­tso izany. Hatreto, mbola tsy namoaka izay tokony ho vi­din’ny lavanila ny fitondram-panjakana. Toraka izany koa ny tetiandron’ny fiotaza­na.”Efa mihoatra ny fe-potoana tokony hiotazana azy izao ny lavanila, efa matoy be eo am-pitoerana, hany ka efa mitarika any amin’ny fahasimbana, lo am-pitoerana, tsy azo atao ny misangotra azy, tsy eken’ny lalana fa mahavoasazy”, hoy ny mpamboly iray, Razandry Adolphe. «Noana ambonin’ny vokatra tokony hivadika vola izahay tantsaha. Koa mangataka amin’ny fitondram-panjakana mba hamoaka ny daty hiotazana ny vokatra lavanila sy ny tokony ho vidiny», hoy hatrany ireo nitafa fohy tamin’ny mpanao ga­zety. Ankilany, ahina ny mety hisian’ny mosary amin’ireo fokontany voalaza etsy ambony ireo, raha ny fanazavan’ny tantsaha hatrany.

Ny jirofo sy ny fambolem-bary
Tsy namoa ny jirofo izay tokony hosangorina manomboka amin’ny volana oktobra. Efa masaka koa ny vary saingy vokatry ny ranonorana be loatra dia betsaka ny vary miankohoka anaty rano ka simba ny voany. «Io vary miakatra io daholo anefa no ha­naovana ny filàna andavanandro raha ho an’ny aty amin’ny faritra misy anay. Havarotra ny vary hividianana izay ho atao laoka, hividianana lamba fetin’ankizy. Eo koa ny fanafody raha misy marary, ny hiatrehina ny fidiran’ny mpianatra ho avy ary ny hanofana tranona mpianatra any an-dReni­vohitr’i Vavatenina », hoy ny tantsaha tafaresaka taminay
Ho tonga ny volana oktobra, tokony hisian’ny jirofo, tsy hisy izay sangorina akory satria tsy namoa ity farany. Eo no teraka ny hanoanana. Lavanila tsy nivadika vola. Any amin’ny fanaovana toaka gasy sy lohamenaka ravin-jirofo sisa no hitavandrana. Ny tena nanaitra ta­min’ireo fokontany sy ireo nanaovana fidinana ifotony dia ny tsy mbola nisitrahan’izy ireo fanampiana. Na tosika fameno, jiro mora, hazavana ho anao, na vary mora, sy izay rehetra nitetezan’ny Filoham-pirenena faritra, ho fanampiana maimaimpoana ho an’ny vahoaka. Ny maha tany lavitrandriana azy tokoa ve no sakana amin’izany? Dia an-tongotra hatramin’ny adim-pamataranandro roa, telo, hatramin’ny dimy man­tsy vao tonga amin’ireo fokontany ireo, miala eo amin’ny lalam-pirenena faha-22 A. Lalan-tany feno fotaka mandrevo, indrindra hakatok’izao oran-dava any an-toerana izao. Ankilany, efa tandindomin’ny hanoanana ny fokonolona. Tapaka efa ho herintaona ny rano fisotro madio amin’ ireo fokontany voalaza etsy ambony ka lasa miverina man­tsaka rano eny an-dre­nirano, izay maloto, ny mponina, toy ny reniranon’ i Iazafo sy Sahavaviana.

Manao antso amin’ny fitondram-panjakana

Manao antso amin’ny fitondrana foibe ireo fokonolona any an-toerana mba hijerena akaiky ny vidim-bokatra, rano fisotro madio ary indrindra ny mba hisitrahana fanampiana avy amin’ny filoha Rajoelina Andry.
Karazan-javamaniry fihinana amin’ny vanim-potoana misy mosary ny hoe “VIA”. Amin’ny vanim-potoana tsara, sakafom-biby, ny omby sy lambo, no hiotazana azy andrahoina miaraka amin’ny ampombo. Nandritra ny fidinana ifotony, efa nahitana olona nitondra ity karazan-javamaniry iray ity ary raha nanontanina dia nambarany fa ho ataony sakafo. « Tsy manana tanimbary firy aho , ny vary tsy voavidy intsony, lafo 3 500 Ariary hatramin’ny 4 000 Ariary ny kilao. Ny siramamy atao amin’ny kafe 7 000 Ariary ny kilao. Ny legioma tsy sahy mividy mihitsy izahay satria 7 000 ka hatramin’ny 10 000 Ariary ny kilao, efa tsy fihinanay aty ambanivohitra ireny. Ny vokatra lavanila no heverinay hamafa an’ izao fijalianay izao kanefa mbola tsy mivoaka ny tetiandro ka ho lasa fatiantoka ny fambolena azy », hoy hatrany izy.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: