ny mpanao gazety ara-panatanjahantena, na “UJSM”. Hitondra izany ny mpanao gazety, Rabenaivo Alain.
Notontosaina omaly, tetsy amin’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha teo aloha UJSM, Rasanda Serge, sy ny mpitondra vaovao ny fikambanana, Rabenaivo Alain. Nisy ny fanadihadiana natao taminy sy ny mahakasika ny vinan’asany mandritra ny fitantanany, omaly. Nisongadina tamin’ny teniny ny Hamerina ny hasin’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fanontaniana
vitsivitsy napetraka tamin’ity mpitarika vao voafidy ity.
Gazety Taratra (*): Iza moa Rabenaivo Alain, ary firy taona izay no nilomanosanao tamin’ny asa fanaovan-gazety ?
Alain Rabenaivo (-) : I Alain Rabenaivo no anarako, mpanao gazety ara-panatanjahantena eo anivon’ny Gazetiko. Efa manambady, manan-janaka. 27 taona amin’ ity aho izay no nanao ity asa masina ity.
*Efa fanirianao ve ny ho lasa filohan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena?
- Araka ny fitadidiako, ny taona 1998 aho no nanomboka niasa tamin’ny fanaovan-gazety voalohany. Tsy nanana eritreritra na naniry ny ho lasa filohan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena izany aho teo aloha. Saingy mba ho fitsonjovana sy ho fanomezan-kasina ireo mpanao gazety rehetra, vonona ny hitondra ny anjara birikiko aho, ka nisafidy ny hirotsaka hofidina ho anisan’ny ho filohan’ny UJSM, tamin’izany.
Inona avy ireo vina apetrakao, fohy na lavitr’ezaka amin’ity fikambanana ity?
-Efa nambarako nandritra ny fampielezan-kevitra ary mbola averiko eto indray fa tsy misy vina lavitr’ezaka aho, satria taom-piasana iray ihany no hataoko. Midika izany, fa fohy ezaka avokoa ny asa hotanterahina. Anisan’ny lehibe indrindra sy misongadina amin’izany ny famerenana sy fametrahana ny hasina sy ny toeran’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena.
*Inona ny paikady entinao hahafahana mampiakatra ny fahaizan’ireo mpanao gazety eto Madagasikara?
-Tsotra ihany ny ahy ny paikady entina hahafahana mampiakatra ny fahaizan’ireo mpanao gazety malagasy. Tsy misy afa-tsy ny fiofanana sy ny fanamafisam-pahaizana ihany ny ady tena haingana sy mety ary ny fizarana traikefa efa hita sy nataon’ireo zoky lehibe teo aloha ho an’ireo zandry aty aoriana.
*Ankoatra izay, mialoha ity asa ity ve efa nisehatra tamin’ny fanatanjahantena ianao? Inona ilay taranja?
-Eny tompoko, efa nisehatra tamin’ny taranja baolina kitra ny tenako teo aloha. Nilalao tao amin’ny klioban’ny Tista (Tigre sportif de Tanjombato) tamin’izany fotoana izany, ary nifanintsana tao anatin’ny diviziona faharoan’ny seksionin’Atsimondrano.
*Inona ny mety hampiavaka ny fitantananao tamin’ny fitantanana teo aloha hatramin’izay?
-Raha ny amiko manokana, tsy dia misy hoe mampiavaka be fa samy manana ny finiavany hiasa izahay, saingy ny tanjona sy ny faniriana ny hampiakatra ny lentan’ity asa fanaovan-gazety ity, ary hampiroborobo ny fikambanana ho any amin’ny tsara hatrany.
*Inona ny hafatra apetrakao ho an’ireo tanora? Indrindra ireo mpanao gazety zandriny?
Tsotra ihany ny hafatra avy aty amiko. Mahafinaritra ity asa ity, saingy mila mitandrina tsara ny fanaovana azy. Mila finiavana sy fandavan-tena be ihany koa ny fanatanterahana azy. Fadiana ny fiheveran-tena fa efa malaza na ny “vedetisme” satria mamotika ny fahaiza-manao izany.
Nanatontosa : Fitia Randria