Ratsy fototra : Mitsingilaila ny Malagasy sy ny momba azy manontolo

Firenena tatsinanana ny Malagasy. Fatra-panaja ny momba azy… Fahiny, nisongadina tsara izany. Ankehitriny, miha marivo ny fototra hany ka mitsingevana avokoa ny fiarahamonina manontolo.

Na tsy nanana sy tsy nahay nanoratra aza ny Malagasy. Nitoetra ha­trany kosa ireo « vato namelan-kafatra ». Olona afaka niambina sy nitandrina ny fomba amam-panao, ny fady, sns. Nitahiry ny tadidy vava sy ny lovan-tsofina… Afaka nampita izany tamin’ireo taranany mba hisian’ny fitohizana…
Rehefa nampiasaina ha­no­ratana ny teny malagasy ny alfabeta latinina. Nisy ny soratra. Izany hoe, niampy iray indray ilay fomba nitahirizan’ ny Malagasy ny momba azy. Nisy ny sora-piankohonana sy ny taratasy iray tarika aminy. Voasoratra anaty boky fa itsy tany itsy, Rakoto no tompony, sns. Tonga teto ihany koa ny fitaovana tahaka ny fakan-tsary. Noraiketina an-tsary ireo tranga heverina ho zava-dehibe eo amin’ny fiainana.
… Toa vao mainka, anefa, nampirisika ny Malagasy ha­nadino ny momba azy ireny. Nihavitsy ny « vato namelan-kafatra ». Niha maivana nanaraka izany koa ny fametrahan’ ny Malagasy ho zava-dehibe ny angon-tahiry. Niteraka hakamoana sy tahotra ho azy mantsy ny fikirakirana taratasy sy ny fandraisana ny penina.
Fahiny, misy ny « tsy faka vady »… Ankehitriny, saika faka vady sy fototr’olona avokoa ny olon-drehetra rehefa manam-bola. Endrika iray fanaovana tsinontsinona ny tantara. Maneho ihany koa ny tsy fahafantarana na ny faran’ izay kely na ny lehibe indrindra momba ny tena hany ka miantehitra amina endrika ivelany.
Manampy trotraka, nampidirin’ny sasany ho anisan’ny zava-maivana sy « tsy man­jary », ny momba azy noho ny antony maro (finoana, fivavahana, tsy fahalalana…). Vao mainka nihanarivo indray ny fototry ny tantara ananany.
Mitsingilaila ny Malagasy, hany ka mora rebirebena hanary ny momba azy. Antony iray nahatonga azy ireo mieritreritra fa « diso firenena »… Satria, diso fototra !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: