ireo mpahay momba ny zavapanahy. Mety hitondra irery any amin’ny fivelarana ve izy io ? Manao ahoana ny fianarana manoloana ny talenta ?
Mila fantarina sy kolokoloina ny fananana talenta raha te ahita fivoarana sy fivelarana ao anatiny. Teo amin’ny Malagasy, ny fiarahamonina sy ny tranga rehetra ao anatiny, toa manana endrika fikolokoloana talenta avokoa. Tsy voafetry ny vanim-potoana ny azy fa ireo naharitra ela ihany no zary nanana talenta lehibe. Io ilay nolazain’ny Malagasy amin’ny hoe : «ny ela nihetezana no lava volo».
Tsy mba izay loatra ny lalana nodiavin’ny vahiny fa indrindra ireo sokajiana ho anatin’ny firenena tandrefana. Na eo aza ny talenta, tsy nijanona tamin’izany ry zareo fa natsangany ny atao hoe sekoly. Nofaritany mazava tsara ny taranja ampianarina ao. Anisan’ireny ny kolontsaina sy ny zavakanto. Noferany nanaraka izay ihany koa ny fotoana ianarana fa tsy tahaka ny an’ny Malagasy, tsy nisy fetra.
Raha ireo tranga roa ireo, mbola resin’ny talenta ny fianarana ho an’ny Malagasy. Maro mpanantalenta amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina i Madagasikara fa vitsy ihany ireo nanampy izany tamin’ny fianarana.
Afaka miaraka tsara
Nanomboka nisampana ny lalana ho an’ireo itoeran’ny talenta fotsiny sy ho an’ireo sady manana talenta no mianatra any an-tsekoly. Na izany aza, mbola tena sarotra ny nilaza na ny namaritra izay «mahay» sy ny «tsy mahay». Sarotra rahateo ny misora-tena ho izatsy na ho zaroa. Na miravaka mari-pahaizana momba ny kolontsaina sy zavakanto aza ny sasany. Miahotra ihany manoloana ilay traikefa matanjaka nolovaina tamin’ireo raiamandreny teo aloha. Na ny mifamadika amin’izay.
Hatreto, somary mbola sarotra ny mandresy lahatra ireo manan-talenta sasany amin’ny zavakanto, ny amin’ny tokony hanatevenan’izy ireo fahalalana any am-pianarana momba io kanto ataony io. Tsy notezaina tamin’izany loatra ny Malagasy hany ka tsy nahitana fiovana firy ny endrika amam-bikan’ireny kanto ireny. Mety misy lafiny tsara ihany io satria maro ny fototra ho voatazona. Mety hisy lafiny ratsy koa anefa raha mitaky ilay fahaizana norantovina tany am-pianarana ilay zavakanto vao afa-mivelatra!
Rehefa dinihina akaiky, tokony ho Malagasy no ho faratampon’ny fahaizana ny zavakanto sy ny kolontsaina. Manana talenta goavana be ny Malagasy, ampiana fianarana sy fanatevenana io, azo inoana fa hivelatra sy ho lasa lavitra ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy.
Rahoviana anefa no ho resy lahatra amin’izany ny Malagasy? Efa manomboka, angamba, matoa efa misokatra etsy sy eroa ny sekoly fampianarana ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy.
Tsara ny saro-piaro… Ilaina koa ny mianatra
Manan-karena zavakanto sy kolontsaina, hono, ny Malagasy sy i Madagasikara. Raha atao indray mijery, marina izany. Na mianavaratra na mianatsimo na miatsinanana na mianandrefana na mijanona eto afovoan-tany, samy ahitana sy ahenoina kolontsaina sy zavakanto mampitolagaga avokoa. Nitondra nankaiza anefa ireny? Firy amin’
ireo manan-talenta no nankarin’izany talenta izany? Nigoka ny mamy tamin’ny fananany haren’ny kolontsaina ve ny Malagasy sy i Madagasikara?
Tsy ampy intsony ny hasarotam-piaro fotsiny tsy arahina asa. Mila rafitra sy paikady mazava vao mety ho voaporofo fa manan-karena ny kolontsaina malagasy. Anisan’izany ny fanehoana ny tena fototra, fahaiza-mandresy lahatra ny mpanjifa, fahaiza-miatrika ny tsena (tolotra sy tinady), fanoritana mazava ny lalan-kaleha sy ny tanjona tian-kotratrarina, sns. Mety tsy ampy, angamba, ireo matoa mbola variana amin’ny fanandratana ny kolontsaina avy any ivelany ny Malagasy sasany.
Eto amin’ity dingana ity no ahatsapana sy ahitana fa mbola mila mianatra ny mpanakanto malagasy na ireo manan-talenta raha te hivelatra. Mianatra manatevina ny talentany (hira, sokitra, sary, mitendry zavamaneno, fanaovan-tsakafo, asa tanana…). Vokatr’io tsy fahampian’ny fianarana momba ny zavakanto sy kolontsaina io, maro ny fanambakana mahazo ny mpanakanto. Maro ny zavatra tsy mandeha amin’ny laonina, hany ka ny miaka-tsehatra na ny manao fampirantiana, sns, ihany no fantatry ny mpanakanto sy ny manan-talenta. Ny ao ambadik’izay, «tsiambaratelon’ny mpikarakara na tsiambaratelon’ireo mpanelanelana» avokoa.
Vokatsoa maro no votsotra
Azo atao tsara ny mampandroso firenena amin’ny alalan’ny kolontsaina sy zavakanto ary ny fomba amam-panao. Ananan’ny Malagasy maro izy ireo, saingy tsy ampy trandraka hany ka maro ny vokatsoa votsotra. Saika iharan’io avokoa ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ny fomba amam-panao malagasy.
Mbola marefo, ohatra, ny fampandrosoana hoentin’ny beko, tsapiky, any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Salegy any atsinanana. Sambatra any atsimo atsinanana. Savika sy tolon’omby ary ny famadihana eto afovoan-tany sy any atsimo. Maro anefa ny vahiny mitrandraka azy ireny, saingy tsy mbola hita mivaingana ny tambin’izay ho an’ny Malagasy sy ho an’i Madagasikara.
Tsy mbola tafapetraka ny paikady mazava hoenti-mitrandraka sy mahita vokatsoa avy amin’ny fitrandrahana ireny kolontsaina sy zavakanto ary fomba amam-panao malagasy ireny. Lesoka mila fanarenana haingana. Tsy maintsy ao anatin’ny fotoana fohy no hanaovana izany, satria, ankoatra ny fahaverezan’ny tombontsoa tokony ho azo, manomboka mirona tsikelikely any amin’ny fanomezana fahafaham-po ny vahiny ny Malagasy.
Nanatontosa : HaRy Razafindrakoto