Fanabeazana sy kolontsaina: Tokony hanana angon-tahiry ny isan-tokantrano

Saika manana olana avokoa ny ankamaroan’ireo toerana natao hitahirizana sy mirakitra ny tantara, kolon­tsaina, taratasim-panjakana fahiny, tahirin-tsary fahizay, sns, eto Madagasikara, raha ny fantatra nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny arsiva. Ani­san’ny vahaolana hoenti-miatrika ireo ny tokony hananan’ ny isan-tokantrano ny tahiriny manokana (milaza ny momba ny tetiharana, ny fomba amam-panao, ny fady, ny hafatra na­velan’ny teo aloha, ny adidy tsy azon’ny taranaka hialana…). Efa vitsy rahateo ny vato na­melan-kafatra (« vatonamelankafatra », na ilay olona nametrahana ny tadidy vava sy ny lovantsofina). Avy amin’ izany no ahafantaran’ny taranaka aty aoriana ny momba azy sy ny lalan-kizorany mba tsy handeha an-jambany.
Ny tsy fananana io tahiry io no nahatonga ny fiarahamonina eto Madagasikara tsy tafapetraka amin’ny tokony ho izy intsony… Satria, tsy voahaja ny fady. Tsy fantatra ny fomba. Tsy hay ny tokony hatao sy harahina, sns. Vokany, ma­naotao foana. Mihinan­kinam-poana. Miteniteny foana. Ny tokony ho filamatra nanjary very hasina…
« Fahaverezana na ny fahadisoan’ny tantara iray, mety hitarika any amin’ny fa­havoazan’ny fiarahamonina iray manontolo », hoy ny mpahay tantara. Efa mananon­tanona an’i Madagasikara
io tranga io, hany ka na ny momba ny vary izay foto-tsakafo aza tsy hainy akory ny momba azy !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: