Hetsika ara-kolontsaina vaovao, saingy manana tanjona lavitra ezaka. Hampiakatra ny kolontsaina, hanokatra sy hampivelatra izany no kasain’ny « Festival Fanilo ».
«Fetin’ny Mozika », hanomboka ny 21 jona ka hifarana mandritra ny Fetin’ny Fahaleovantena, ny 26 jona. Misy antony lehibe izany, ho an’ny andiany voalohany amin’ny « Festival Fanilo », izay hotontosaina eny amin’ny Ilo Hôtel Anosiala Andakana. « Antenaina ho fanilon’ny kolontsaina eto Madagasikara ny hetsika. Hisy fanehoana ny kolontsaina malagasy maro mandritra ireo andro ireo, ankoatra ny fifampizarana amin’ireo mpanakanto izay nosafidiana hanafana ity andiany voalohany ity », hoy ry zareo mpikarakara, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika sy ny toerana, omaly.
Maneho ny fisokafana amin’ny sokajin-taona sy ny sokajina mozika rehetra aloha ireo mpanakanto handray anjara : Jaojoby, Rajery, Samoëla, Njara Marcel, R’Ikala Vazo, Kaïamba, Steph Ramb, L Jo, sns. Hisokatra amin’ny kolontsain’ireo Nosy manodidina an’i Madagasikara koa anefa, noho ireo fifandraisana akaiky misy. Amin’ny maha Festival azy, tsy fampisehoana ihany no ho hita fa eo koa ireo fampirantiana isan-karazany sy araka ny lohahevitra, toy ny zavamameno (kabaosy, valiha), sns. Hisy koa ny fifaninanan-kira, dihy, slam ho an’ireo ankizy sy tanora.
Toy ny Festival rehetra, hosokafana amin’ny « carnaval » sy soradihy izany ny 21 jona. Avy hatrany dia hanomboka ny andiam-pampisehoana aorian’izay. Natokana ho andro ifampizarana kosa ny faharoa, iarahana amin’ireo mpanakanto. Hanehoan’ireo mpianatry ny sekoly ny talentany ny roa andro manaraka. Hiverina ny fampisehoana goavana aorian’ny arendrina, ny 25 jona ary famaranana kosa ny 26 jona.
Zo ny Aina