« Cosafa 2025 » :Tsy mbola afa-bela tamin’i Comores indray ny Barea

Nody an-tanam-polo ny Barea de Madagascar, izay notarihan-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, tamin’ity fifanintsanana “Cosafa 2025” ity. Lavon’i Comores, 1 no ho 0, i Madagasikara.

Resy indray! Nionona teo amin’ny laharana fahefatra, nandritra ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika aty amin’ny faritra Atsimo, “Cosafa 2025”, izay natao tany Afrika Atsimo ity, i Mada­gasikara. Niondrika teo anatrehan’i Comores, tamin’ny isa 1 no ho 0, izy ireo, oma­ly, tao amin’ny Kianjan’ny Toyota Stadium.
Tsy afa-bela eo anatre­han’i Comores indray ny Ma­lagasy, ary izy ireo rahateo no nandrombaka ny medaly alimo. Sambany teo amin’ny tantara ny nandrombahan’ny komorianina ity medaly ity. Raha hiverenana ny fifanandrinana, efa nahatafiditra baolina ny Malagasy mpilalao, saingy nolavin’ny mpitsara izany rehefa nojerena ny Var.
Maro ireo baolina tokony ho tafiditry ny andaniny sy ny ankilany, ary mafy ny fifandonana ara-batana. Ny minitra faha-77, nahatafiditra baolina ry zareo nosy rahavavy, tamin’ ny alalan’i Youssouf.

Songonan’i Comores …

Hita taratra taorian’io vo­katra io fa efa songonan’i Comores tanteraka ny Mala­gasy amin’ny fifanintsanana baolina kitra. Raha tsiahivina, efa lavon’i Comores, 1 no ho 0, ny Barea, nandritra ny ady tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Can”, ny taona 2024 lasa teo. Eo amin’ny filaharan’ny Fifa, mety hiakatra indray ny kaomorianina raha ahina ny hivarinan’ny Malagasy. Araka ny fikarohana natao, eo amin’ny faha-105 i Comores ary faha-115, i Madagasikara. Hivoaka ny 10 jolay ho avy izao moa ny filaharana vaovao avoakan’ny Fifa.
Marihina fa handray anjara amin’ny “Can 2025”, atao any Maroc, i Comores ary fanindroany amin’ity izy ireo no hiatrika izany fifaninanana afrikanina izany. Raha tsiahivina, ny taona 2021 izy ireo niatrika izany voalohany. Ny 2019 kosa, taona tokana nadraisan’i Mada­gasikara anjara tamin’ity lalao ity, hatreto.

F.R

Partager sur: