Notontosaina ny 11 hatramin’ny 15 jona teo, tany Londres, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Échecs (Blitz & Rapide). Tsy diso anjara i Madagasikara, fa nanana solontena, tamin’ny alalan-dRakotomaharo Fy Antenaina. Anisan’ny mpilalao nandrafitra ny ekipa afrikanina mantsy izy tamin’ity fifaninanana ity. Teo amin’ny vokatra kosa, laharana faha-29 ny ekipa nisy an’i Fy izay nahazoan’izy ireo ny isa 9,5. Ekipa 52 no nandray anjara nandritra ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja échecs, ity. Azo lazaina fa tsy nitsanga-menatra, araka izany, i Fy sy namany, raha io filaharana io. Tsiahivina fa mpilalao avy amin’ny firenena afrikanina 7 ity ekipa nisy an’i Fy Antenaina ity. Nahitana an’i Botswana, Lybie, Afrika Atsimo, Nigeria, Ouganda, Egypte Ary i Madagasikara. Tsiahivina, nifanindry an-dalana tamin’ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany ity koa ny “Championnat d’échecs en ligne francophonie” ka nanana solontena tamin’izany ihany koa i Madagasikara, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taranja échec.
Mi.Raz