Fahombiazana. Tafakatra 602 tapitrisa dolara ary nitombo 16% ny fampiasam-bola vahiny (IDE) teto Madagasikara, ny taona 2024, araka ny tatitra navoakan’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM). Mihatsara ity sehatry ity nanomboka ny taona 2022. Ny taona 2021, nijanona ho 358 tapitrisa dolara toy ny tamin’ny taona 2020 ny IDE teto Madagasikara. Taorin’izay, nihatsara ny vokatra ka niakatra teo amin’ny 468 tapitrisa dolara. Ny taona 2023, lasa 519 tapitrisa dolara izany. Voalaza ao anatin’ny taitra fa annisan’ireo sehatra mahasarika ireo mpampiasa vola vahiny eto amintsika ny tontolon’ny fambolena, ny fizahantany, ny harena an-kibon’ny tany, angovo, ny teknolojia. I Frantsa, Etazonia, ny nosy Maorisy ary Japon no anisan’ny firenena mampiasa vola vahiny betsaka eto amintsika.
Fanamby
Mbola maro ny ezaka tokony hatao anatsarana ny sehatry ny toekarena. Ady goavana hatrehintsika ny mamongotra ny jono tsy manara-dalàna, tsy voambara, ary tsy voafehin-dalàna (pêche INN) izay ambana ho an’ny rohivoahary an-dranomasina sy ireo mpanjono manara-dalàna. Mampihena ny vola tokony hiditra amin’ny fanjakana izany. Mila arahi-maso ihany koa ireo tahirina lavanila na dia nampidi-bola hatrany amin’ny 254 tapitrisa dolara aza ireo vokatra fanondrana tamin’ny taon-dasa.
Ankoatra izay, mila hatsaraina ireo lalam-pirenena eto amintsika izay miantoka ny fampiroboroboana ny fizahantany. Mbola ambany ny tahan’ny fampiasana internet eto amintsika, ny volana janoary teo. 20,4% ny fampiasana izany, izany hoe, 6,6 tapitrisa ny olona misitraka izany amin’ny Malagasy 30 tapitrisa mahery.
Henintsoa