Nilamina sy nizotra tsara ny fanadinam-panjakana voalohany, CEPE, teny amin’ny CEG Avaradrova, izay foibem-panadinana notsidihin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, omaly maraina. “Vonona vao maraina ny toerana sy ny mpiasa rehetra ary ampy tsara ny laza adina”, hoy ny talen’ny CEG. 9 taona ny zandriny indrindra raha 42 taona ny zokiny amin’ny mpiadina. Tsy nanana mpiadina manana fahasembanana ny foibem-panadinana. 637 ny isan’ny mpiadina rehetra ao aminy.
“Nisy ny fandaminana vaovao ho an’ny fanadinam-panjakana tamin’ity taona ity ka hita fa nanaraka ny toromarika ny teny amin’ny CEG, isaorana manokana izy ireo”, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Nanambara izy fa hanefa ny trosa rehetra amin’ny tambin-kasasarana teo aloha ary hanao ezaka, raha vantany vao vita ny fanadinana. Haloa ny tambin-kasasarana ho an’ny mpampianatra nandray anjara tamin’ny fanadinana.
177 559 ny isan’ny mpiadina eto Antananarivo, miparitaka amin’ny foibem-panadinana 582.
Manomboka anio aorian’ ny fivoriana fandaminana ny fitsarana ny laza adina rehetra eny amin’ny foibe natokana ho amin’izay. Matetika, mivoaka ny faran’ny herinandro nanatontosana, ny valim-panadinana CEPE, arakaraka ny isan’ny mpiadina nandray anjara.
Vonjy