Fanafihana tetsy Antsakaviro: Rava ny tambajotran-jiolahy nandroba 81 tapitrisa Ar

Ravan’ny zandary ny fikambanan-jiolahy mitam-piadiana nandroba lelavola 81 tapitrisa Ar mahery, teo anoloan’ny Banky iray tetsy Antsakaviro. Fito hatreto ireo voasambotra ka polisy ny iray amin’ireo voasaringotra.

Tafakatra fito ireo nosamborin’ny zandary, afakomaly, momba ny fanafihana nitam-piadiana tetsy Antsakaviro. Efa-dahy nitondra moto nanambana basy ireo roa lahy hanatitra vola ka nandroba vola roa sakaosy mitotaly 81 556 000 Tapitrisa Ar, ny 2 jona lasa teo, tamin’ny 10 ora. Vola an’ny orinasa mpaninjara solika iray tao Besarety sy an’ny ivontoeram-pivavahana iray io voaraba io. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Nojerena ny horonantsary noraketin’ny “caméra” tao amin’ilay banky. Voamarina fa roa lahy nitondra moto Racing King miloko mainty sy moto Cygnus III no nahavanon-doza. Nizotra nihazo an’Am­banidia ireo olon-dratsy tam­in’io fotoana io. Naharay angom-baovao ny mpitandro filaminana ka roa lahy voasambotra teo Analakely, ny 7 jona teo. Lehilahy nitondra ilay basy sy ny lehilahy iray hafa. Nogiazana ireo moto miisa roa nanaovana ny fanafihana.

Dimy lahy tra-tehaka
Dimy lahy hafa voasambotra taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny zandary. Mpiasan’ilay orinasa mpivarotra lasantsy ny iray izay voalaza fa nanome loharanom-baovao ireo mpanao ratsy. Mpiray tsikombakomba ny telo raha toa ka polisy iray hafa voasaringotra. Nandà ny fiampangana azy ity farany. Nanamafy ny mpanao famotorana fa manana fifandraisana mafy amin’ilay nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana io voalaza fa mpitandro filaminana io. Karohina ny atidoha tamin’ity tranga ity. Lelavola 11 400 000 Ar niampy ny basy sy moto roa hany sisa tratra teny amin’ireo mpanao ratsy.

Tsiferana R.

Partager sur: