Festival Dôlabe : « Te hampahafantatra an’i Sofia izahay », hoy i Dadi Love

Vao miteny hoe « Dôlabe », dia miaraka amin’izay ny anaran’i Dadi Love. Nataony indrindra hampahafantarana ny Faritra Sofia, indrindra ny lafiny kolontsaina ity hetsika ity. Hiakatra kokoa ny lentany amin’ny andiany fahatelo.

Manana ny « Sômaroho i Wawa any Nosy Be. Nanao ny « Triatria » i Big MJ any Antalaha. Fa efa hiditra amin’ny andiany fahatelo ihany koa amin’ity ny « Festival Dôlabe », izay natsangan’i Dadi Love ao Antsohihy, renivohitry ny faritra Sofia. « Te hampahafantatra ny faritra Sofia amin’ny lafiny maro izahay. Manana ny maha izy azy, indrindra ny lafiny kolontsaina sy ny zavakanto any an-toerana. Amin’ny maha mpanakanto ny tena, nitsiry ny fitiavana te hampivelatra ambony kokoa ireo karazana kanto ao Sofia, ka teraka teo ny hetsika. Tsy « Festival » an’i Dadi Love araka ny fiantsoan’ny olona azy ity, fa efa an’ny rehetra » hoy ny nambaran’ity mpanakanto manana ny lazany ity, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Ankorondrano.
Hotontosaina ny 24 hatramin’ny 27 jolay izao ny andiany fahatelo amin’ny « Festival Dôlabe » ao Antsohihy. « Hampiarahana ny lafiny kolontsaina, fanatanjahantena, sosialy ary fihariana amin’ity. Hisy ny foara mandritra ny hetsika, hanomezan-danja ireo seha-pihariana rehetra ao amin’ny faritra Sofia. Ny fanatanjahantena handrisihana ny tanora, ary ny lafiny sosialy, hijerena izay hanampiana ireo mila izany », hoy ny nambaran’i Hardy, iray amin’ireo mpikarakara hetsika mifanome tanana amin’i Dadi Love.
Lafiny ara-javakanto, ho­so­kafana amin’ny « carnaval » toy ny mahazatra izany, hanehoana ireo fitafy, taovolo, fandihy, sns, mampiavaka ny faritra. Hosokafana amin’ny alim-pandihizana ny hetsika, hafanain’i Din Rotsaka. Mandritra ny telo andro kosa ny andiam-pampisehoana ao amin’ny kianjaben’Antsohihy. « hatrany amin’ny fisafidianana ireo mpanakanto handray anjara no nanehoana ilay fisokafana. Ao ireo vao misondrotra, fa eo koa ireo efa malaza manerana an’i Madagasikara. Ani­san’ireny ry Zandry Ahmed, Maman’i Tsololo, Lico Kini­nike, Parish, Basta Lion, sns. I Dadi Love no mamarana ny hetsika, ary mandra-maraina avokoa ireo seho amin’ny alina ireo », hoy kosa i Gino Makavelo, miantsoroka ny lafiny ara-javakanto amin’ny hetsika.
« Niara-niasa tamin’i Dadi Love hatrany ny Yas hatramin’ny voalohan’ny « Festival Dôlabe ». Eo ny maha ambasadaoron’ny Yas azy, fa eo koa ilay lalan-tsaina hitondrana ny hetsika izay mifanaraka amin’ireo soatoavina zarainay », hoy kosa ny tomponandraikitry ny Yas.

Zo ny Aina

 

Partager sur: