Fiaraha-miasa amin’ny MFFT: Manohana ny fitsinjaram-pahefana ny KFW

Nanokatra ny biraony tamin’ny fomba ofisialy eto Antananarivo, nanomboka ny 16 jona teo, ny Banky ho an’ny fampandrosoana KFW Alemà. Hanamafy ny sehatra iarahan’i Alemanina miasa miaraka amin’ny GIZ izany.

Anisan’ny mpiara-miombon’antoka ho amin’ny fampandrosoana eny ifotony, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) amin’izany ny GIZ.
Tafiditra amin’ny fanamafisana sy fampahombiazana bebekokoa ny asan’ny sampandraharaha teknika amin’ny fiaraha-miasa Alemà, GIZ izao fisokafan’ity birao ity izao, araka ny nambaran’ny ambasadaoron’i Alemà, Oliver Knoerich, tamin’ny lahateniny. Miainga amin’ny famatsiam-bolan’ny KFW amin’ireo fandaharanasa tohanany izany.

Fotodrafitrasa eny ifotony
Anisan’izany ny fanohanan’izy ireo ny sehatry ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny ala. Ny amin’ny fanjarian-tsakafo, ny fisitrahana ny angovo nohavaozina. “Hama­fisina hatrany koa ny fanjakana tsara tantana miaraka amin’ny fanohanana ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana”, hoy ihany izy, nitanisa ireo fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana fa indrindra amin’ny MFFT.
Voatsiahy tamin’izany fa mitentina 300 tapitrisa euros ny fanampian’ny KFW amin’ny fampiasam-bola ho amin’ny fotodrafitrasa eny ifotony, ny fampidirana herinaratra eny amin’ny tontolo ambanivohitra, ny fanohanana ho amin’ny fizakan-tenan’ny vehivavy sy ireo vondron’olona eny ifotony.
Tsiahivina fa anisan’ny niatrika izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andrian­tsitohaina Naina.

Synèse R.

Partager sur: