FIBA 3X3 Quest Alley Hoop: Hatao eo amin’ny Parvis Analakely

Hotanterahina, ny 30 sy 31 aogositra izao, eny amin’ny Parvis Lapan’ny Tanàna Ana­lakely, ny fifaninanana “Fiba 3X3 Quest Alley Hoop”, ta­ranja basikety lalaovin’olona 3. Fifaninanana hitiliana ny ekipa hiatrika ny “World Tour” hatao any Chine, ny volana oktobra izao, ity lalao ity. Nosafidiana manokana ny hanatanterahana ny lalao manoloana ny Lapan’ny Ta­nànan’Antananarivo, mba ha­kana tahaka ny fanaon’ny any ivelany izay matetika manoloana ny toerana tahaka izany hatrany no hanaovana ny fifaninanana basikety 3×3 toy izao. Amin’ny maha fifaninanana iraisam-pirenena azy, misokatra ho an’ny rehetra ity lalao ity ary “official technique” avy amin’ny Fiba avokoa no ho avy eto an-toerana hiara-hisalahy amin’ny fanatanterahana ny fifaninanana, araka ny fanazavana nentin’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel. Ny mpandresy amin’ny sokajy “Elites” no hitiliana io ekipa hahazo ny tapakila hihazo an’i Chine io. Hisy ihany koa ny lalao ho an’ny sokajy U17 sy U23 lahy sy vavy izay hahazoana loka goavana. Tsiahivina fa karazana “Alley Hoop” ihany ity fifaninanana ity saingy niova ho “Quest 3×3” ny anarany, araka ny nambaran’ny mpikarakara, ny Tale Jeneralin’ny RDJ, Rasolojaona Tahiana (Jaytax). Nohamafisiny anefa fa tsy miova ny fitsipika sy fizotran’ny lalao ary hafana tanteraka.
Tetsy ankilany, nanamafy ny fanohanany ny tanora sy fanatanjahantena ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny maha mpanohana azy ireo ny Federasionina malagasin’ ny basikety hatramin’izay. “Anjara andraikitry ny CUA ny fampiroboroboana ny tanora sy ny fanatanjahantena eto Antananarivo”, hoy ny nambaran’ny ben’ny Ta­nàna, Ramanantsoa Harilala. Mbola hohampahafantarina miandalana ny lafiny teknika mahakasika ity fifaninanana ity, saingy efa misokatra kosa ny fisoratana anarana.

Mi.Raz

Partager sur: