Mila tari-dalana ahafahany misafidy ny fiofanana mety aminy sy ilain’ny asa ny tanora ka novolavolain’ny minisiteran’ ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa miaraka amin’ny Unesco ny « platefome oriente jeunes » azo jerena amin’ny Smartphone sy ny ordinatera.
Efa azon’ny tanora mpianatra, ray aman-dreny sy ireo rehetra liana amin’ny fanofanana arakasa tsidihina ny vovonana mandeha amin’ny rindrambaiko manoro ny fiofanana sy ny fianarana ho an’ny fampianarana teknika sy fanofanana arakasa manerana ny Nosy. «Teo aloha, midina ifotony eny anivon’ny sekoly ny mpanolotsaina amin’ny torolalana manentana ny mpianatra mizara ireo lalam-piofanana samihafa omen’ny Lycée teknika sy ny ivontoeram-panofanana arakasa. Nanaraka ny fivoaran’ny teknolojia ny minisitera ka namolavola ity vovonana ity ahafahan’ny tanora, ray aman-dreny mahazo fahalalana feno momba ny fiofanana misy sy ny asa mifandraika amin’izay araka ny filany», hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Angelico Ennodius Harisoamanarivo, omaly, teny Andrainarivo.
Mbola hovoizina manerana ny distrika ity vokatra ity ho tombontsoan’ny tanora, ahafahany misafidy ny lalam-piofanana mety aminy. Manomboka amin’ny 15 taona no ho mihoatra, (kilasy 3ème) no entanina hiditra amin’ny vovonana fa mila tantsoroka avy amin’ny ray aman-dreny kosa ahafahany manao safidy matotra. Azo jerena amin’ny smartphone sy ny ordinatera izany ka tsy voatery miakatra aty Antananarivo intsony hijery ny fiofanana misy fa manome ny vaovao feno ny ao anatiny. Voarakitra ao
avokoa ny lalam-piofanana omen’ny sekoly miankina
amin’ny fanjakana sy ireo ivontoerana miahy tena.
«Nanohana teo amin’ny lafiny teknika sy ara-bola tamin’ny famolavolana izany ny Unesco. Mbola mitohy ny fanofanana ireo mpanolotsaina amin’ny torolalana eny anivon’ny sekoly», hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa Bear 3, ao amin’ny Unesco, Rakotoson Lovamanjaka.
Vonjy