21 jona, tahaka ny fanao isan-taona. Handray anjara amin’ny hetsika hanamarihana ny « Fetin’ny mozika » ny etsy amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM). Hiavaka tanteraka ny amin’ity taona ity, satria, omena ny vehivavy ny sehatra. Ao ny mpihira, mpitendry zavamaneno, mpanao slam, mpamoron-kira… Hanomboka amin’ny 4 ora tolakandro, etsy Analakely foiben’ny IFM no hanatanterahina ity seho ity. Handray anjara amin’izany i Dee Andriambelo (hira, fitendrena gitara beso), Lock (hira, mitendry gitara), Fitia (mpiangaly rap), Amboara (mitsoka saksôfôna), Fara (steeldrums), Dilo avy atsy amin’ny Nosy La Réunion (hikapoka ny amponga maroanaka), ary i Navalona (slam).
Ilay fampisehoana nampitondraina ny lohateny « Cultiver demain » kosa no hanokafana ity « Fetin’ny mozika » etsy amin’ny IFM Analakely ity. Ireo tanora manan-talenta indray no handray anjara amin’izany. « Sady sehatra ho azy ireo ny seho hotontosaina no fampahafantarana sy fampivelarana ny talenta ananan’ny tsirairay », hoy ny nambaran’ny tomponandraikitry ny serasera, etsy amin’ny IFM, omaly.
HaRy Razafindrakoto