INDRAY MIJERY

Antenimierandoholona Anosy. Niresaka ny fitovian’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika tamin’ny minisitra ny profesora Chaminah Loulla. Nidera sy nankahery ny minisitra ny filohan’ity Andrim­panjakana ity sy ireo mpikambana ambony tamin’ny fahasahiana niatrika ny adidiny, indrindra ny fitokonan’ny mpianatra teny Vontovorona.

Mitohy ny fiaraha-miasa ara-pitsaboana amin’ ny Chine. Naneho fisaorana feno ho an’ny fanjakana sinoa ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavi­tafika Rasata, noho ny fahatongavan’ny iraka ara-pitsaboana faha-24 farany teo. Vonona hatrany ny fitondram-panjakana malagasy hanohy izany fiaraha-miasa ara-pahasalamana sy maha olona izany.

Poizina ara-tsakafo. Nanome toromarika avy hatrany amin’ny fandraisana an-tanana sy fitsaboana maimaimpoana ireo marary ny minisitry ny Faha­salamam-bahoaka, Pr Zely Arivelo. Nanatanteraka ny “Check Humanity” sy ny ezaka rehetra natao hamonjena ny ain’ireo mbola manaraka fitsaboana ny tomponandraiki-panjakana.

Fijerena ny fahasalaman’ireo zokiolona. Manokatra varavarana sy manolotra fitsaboana mendrika, maimaimpoana sy tsara kalitao, ho an’ireo zokiolona mihoatra ny 65 taona ny hopitalim-panjakana rehetra eto Madagasikara. Velom-pisaorana ireo mpisitraka satria mahatsiaro fa tsy hadino sanatria na atao ankilabao.

Partager sur: