Raha atao indray mijery, toa tsy mba misy zavatra miabo mihitsy miseho eto Madagasikara. Maro ny toe-javamisy maloto toy ny faty olona, fandrobana, aretina, sns. Raha ho an’ny olona ambany moraly, toa tsy misy fanantenana intsony ny ho avy. Tena hoe efa mikororoso ambany sy mena avokoa ny famantarana. Zary mahakivikivy ny ankamaroan’ny olona ilay izy.
Tsy hita tokoa ny asiana ny tongotra fa izay hitsahana dia feno fandrika sy fitaka avokoa. Tsy eny anivon’ny fiarahamonina ihany fa na eny anivon’ny toeram-piasana aza. Tena mahavariana fa ny samy madinika ihany no mifanosihosy sy mifanimba an-toerana. Mifanindritsindry sy mifanimbazimba mihitsy.
Zary mahazatra ny kely tsy mba mamindro, fahafinaretana ny mahita ny hafa miferinaina. Misy dia manao ho fialamboly ny fampijaliana sy ny famingavingana ny olona eo ambany fifehezany. Mahavariana fa raha olon’ny fo sy fitiavana no nahalalana an-dRamalagasy hatrizay, nivadika ho olon’ny fankahalana sy mpiandry kendry tohina izany, ankehitriny.
Mahonena ny mahita ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toe-tsaina sy ny fomba amam-panao. Tena tsy mba mivoatra ho tsara arakaraka ny fivoizana ny fandrosoana. Mainka mihemotra, manaraka ny faharavana. Latsaka anaty ny fitiavan-draha tsy manjary. Misafidy ny onja miiba ny ankamaroan’ny olona. Tia raha mora azo, tia zavatra tsy manahirana hany ka manaotao fahatany.
Manoloana izany, sintonina ihany ny lakolosy amin’ny tsy maintsy hiverenana any amin’ny maha izy azy ilay Malagasy. Na tiana na tsy tiana, rehefa ny fomba fisaina no potika, rava ihany koa ny fomba fiaina tokony hanaraka ny fenitra takiany. Tsy misy zava-dratsy hitondra zava-tsoa izany. Rehefa lo dia lo! Tena mila fiovana amin’ny lafiny rehetra ny tanàna.
r.r