Feno dimy ny toerana Points of Presence (PoP) an’ny orinasa MVola, ka anisan’izany ny eny Analakely sy Sabotsy Namehana. Nambaran’ny tale jeneraly (DG) MVola, Olivier Favot, ny 16 jona teo, tetsy amin’ny masoivoho PoP, akaikin’ny banky BNI Andohan’Analakely, fa “taratry ny finiavana hanapariaka ny tolotra omena ny mpanjifa izao hetsika izao. Hita eny amin’ny masoivoho Pop ny tolotry ny MVola rehetra. Toy ny fanokafana kaonty, ny fandrotsahana sy ny fisintonam-bola. Eo koa ny fanoroan-kevitra sy ny famaliana ny olan’ny mpanjifa hanomezana fahafaham-po azy ireo. Misy ny toerana manokana ho an’ny orinasa sy ny mpandraharaha”.
Mazava ny safidy nametrahana ireo toerana roa vaovao ireo, hamaly ny filan’ny mpanjifa ny fanatonana azy ireo akaiky kokoa indrindra ny toerana be mponina, satria faritra manana lanja ara-toekarena sy ara-barotra.
Vinan’ny MVola rahateo ny hisitrahan’ny Malagasy tsy ankanavaka, ny tolotra ara-bola tsotra, takatry ny fahefa-mividy sy sahaza ny rehetra. Feno 15 taona ny MVola, ahitana tranoheva Cash point maherin’ny 50 000 manerana ny Nosy.
Njaka A.