Razanamahefa Tiana Jinah : Maniry ny ho lasa mpilalao matihanina any ivelany

Nifarana ny alahady teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Ru­gby. Ani­san’ireo ve­hivavy­mal­a­gasy mpi­­lalao na­naovana fanadihadiana tamin’izany, Raza­nama­hefa Tia­na Jinah.

Mpilalao miavaka sy sariaka ary misongadina amin’ny hafainganam-pandeha Raza­na­mahefa Tiana Jinah, na i Jinah, vehivavy mpilalao rugby. 25 taona ny tenany, amin’izao fotoana izao, ary manam-paniriana ny ho lasa lavitra amin’ity taranja ity izy. Nisy ny fanadihadiana izay natao taminy, omaly, niresahana manokana ny momba azy sy ny faniriany rehetra.

Gazety Taratra (*) : Iza moa i Jinah ?

Razanamahefa Tiana Jinah (-) : Razanamahefa Tiana Jinah no tena anarako, ary mipetraka aty Besarety aho. Zanan-dRazafimahefa Tiana Justin sy Ravaomalala Claire. 25 taona aho ankehitriny, ary manan-janaka vavy iray. Ao amin’ny klioban’ny SCB Besarety ny tenako no milalao.

* Nanomboka oviana ianao no nilalao rugby, ary efa nofinao hatramin’izay ve ilay hilalao an’ity taranja ity?
– Fony aho mbola kely no nilalao ny taranja Rugby. Tsy nofy ilay nilalao ity taranja ity ho ahy fa efa tahaka ny hoe lova avy amin’ny ray aman-dreny izy io. Milalao baolina lavalava sy mankafy izany avokoa ny fianakavianay rehetra.

* Inona no tena fanirianao any aoriana any ?
– Manam-paniriana ny ho lasa mpilalao matihanina any ivelany aho ary mbola mipetraka foana izay faniriako izay hatramin’izao. Miezaka mafy hatrany aho mba hanatrarana io tanjona io, na dia mbola sarotra aza izany eto amintsika.

* Tahaka ny ahoana ny fiainan’ny atleta vehivavy efa manan-janaka izany ?
– Tsy dia sarotra, satria mbola eo i Mama sy i Zokivavy, ary manohana hatrany izy ireo. Misy fotoana sarotra ihany. Marihiko fa tsy mbola miasa ny tenako.

*Anisan’ny mpilalao niatrika ny Can farany teo ianao, nanao ahoana ny niainanao izany fifaninanana izany ?
– Somary sarotra ihany izany tamin’ity, satria tsy ampy ny fanomanana ara-batana. Ny fifanintsanana iraisam-pirenena tahaka ireny mantsy, tsy mitovy amin’ilay fanomanana anaty klioba. Hita sy tsapa eny ambony kianja izany.

* Ankoatra ny manao Rugby, inona ny fialambolinao, ary inona ny taranja hafa hataonao ?

- Fialamboliko iray tena tiako indrindra, ny milalao miaraka amin’ny zanako. Misy taranja ara-panatanjahantena hafa voafehiko, saingy tsy manao fotsiny aho.

* Hafatra ho an’ireo tanora ankehitriny, ?

– Ny hafatra avy aty amiko, dia izao : tohizo hatrany ny fanatanjahantena, ho an’ireo efa misehatra amin’izany. Asio tanjona iray izany. Singa lehibe tsy afaka miala amin’ity fanatanjahantena ity ny resaka fifandraisana, ka tsara raha mianatra tenim-pirenena ia­nao. Tena ilaina be mihitsy izy io rehefa eto Mada­gasikara. Aza simbaina amin’ny zava-mahadomelina ny va­tana fa kolokoloy tsara ary manaova fanatanjahantena hatrany.
Tsiahivina fa efa manana ny lazany eo amin’ny tontolon’ny Rugby, i Jinah, ary ny taona 2018 izy, nanomboka nandrafitra ny ekipam-pirenena Makis Ladies. Anisan’ireo niatrika ny fifanintsanana iraisam-pirenena WXV III, tany Dubai, farany teo, ity vehivavy kalazan’ny Rugby Malagasy ity.

Nanatontosa : Fitia Randria

Partager sur: