Tsara fanombohana ny judokas malagasy, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, tao anatin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja judo, sokajy Seniors, tanterahina any Hongrie. Nandresy ilay teratany Danoise, i La erke Olsen, izy tamin’ny Uchi Mata (ippon), nandritra ny ady voalohany natrehany omaly, ary tao anatin’ny 31 sengondra monja ny nandreseny ity mpifanandrina taminy ity.
Efa tonga any Mongolie, ny alahady lasa teo, ny Ankoay vavy, hiatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3. Ho fisorohana ny harerahana be loatra no anton’izao fahatongavana any an-toerana mialoha izao, raha toa ka ny 23 jona hatramin’ny 27 jona izao no hanatanterahana ny fifaninanana.
Mandeha ny resaka ao Espagne, efa nanaiky ny hifindra ao amin’ny klioban’ny FC Barcelone, i Nico Williams. Hatreto, tsy mbola misy ny fanambarana ofisialy mahakasika izany. Ity lohalaharana ity, maniry mafy ny hilalao ao amin’io klioba tompondakan’i Espagne io, efa hatramin’ny ela.
Araka ny fikarohana natao, anisan’ireo mpilalao tsy afaka hiatrika ny lalao, rahampitso, izay hihaonan’ny Real Madrid, espagne, amin’ny AL Hilal, Arabia Saodita, i Kylian Mbappé, frantsay milalao ao amin’ny Real. Raha ny fantatra, tratran’ny aretina tampoka ity mpilalao ity, ka tsy afa-niatrika fanazaran-tena, omaly.