« Star Tour » Tanà : Handrasana ry AmbondronA, Samoela, L Jo…

Hiditra amin’ny andiany fahefatra ny eto Antananarivo. Faharoa kosa amin’ity taona ity taorian’ny tany Antsirabe, ny « Star Tour » hotontosaina ny 20 hatramin’ny 22 jona izao, etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe.
Andiam-pampisehoana mandritra ny 3 andro no tena nahafantarana ny « Star Tour » hatramin’izay. Mbola voatana ihany izany amin’ity, satria ao anaty lisitra ireo mpanakanto anisan’ny mahatarika mpijery indrindra eto Antananarivo, toa ny tarika AmbondronA sy Samoela. Eo koa ireo ankafizin’ny tanora toa an-dry L Jo, Skaiz, Lion Hill, Tsôta ary i Basta Lion.
Tsy fampisehoana fotsiny anefa no tanjona amin’ny « Star Tour ». « Natao hifampizarana fotoana mamy ho an’ny fianakaviana io. Ham­pahafantarana ireo vokatra Star rehetra ihany koa », hoy ny nambaran’ny talen’ny serasera, Randriambolamanana Seheno, omaly, nandritra ny fampahafantarana etsy Andra­haro. « Tsy miova ireo laharam-pahamehana fa vao mainka aza hamafisina : ny filaminana tanteraka, ny kalitaon’ny hetsika sy ireo vokatra Star ary ilay fiaraha-miaina fotoana miavaka misy hotsaroana izay », hoy ny tompon’andraikitry ny fikarakarana ny hetsika, Ramanankoraisina Setra.
Anatin’ny fanamarihana ny « Fetin’ny mozika » ary hampiditra ihany koa ny « Fetin’ny Fahaleovantena » ny « Star Tour 2025 ». Ankoatra ny fampisehoana ny kerimesy misy lalao maro, ny « espace pression », ny fanentanana isan-karazany hataon-dry Barhone sy Fou Hehy sy ireo mpikosoka kapila : Dj Three T, Dj Looping Ary Raerz.

Zo ny Aina

Partager sur: