« Arendrina Fiderana », fampisehoana rindran-kira an-tsehatra miaraka amin’i Zook Davids, hotanterahina ao Antsahamanitra ny 25 jona izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Hiaka-tsehatra mandritra ity seho maimaimpoana ity ihany koa i Pasteur Jocelyn Ranjarison, Revival Messengers, 4Life Heaven Sound, sy mpanakanto nasaina manokana. « Arendrina Fiderana » hanehoana indray ny kolontsaina malagasy sy hampahatsiahivana ny maha zava-dehibe ny fisian’Andriamanitra.
Manomboka mahazo vahana ny famerenana ny hira fahiny. Ao aza ireo izay mivelona amin’ny fanaovana azy io mihitsy. Mety tsy ho sarotiny ny tompony sy ireo taranany ? Na izany aza, raha miantehitra amin’ny famerenana ny lasa ny mpanakanto. Azo antoka fa tsy hisy ny zava-baovao. Tsy ho hita ny fivelarana sy ny fandrosoan’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Mety ho takona na ho levona ihany koa ny talenta sy ny fahaiza-mamorona.
Mbola maro ny olana sedrain’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Anjaran’ny tsirairay sy ireo tomponandraikitra mifanitsy amin’ny olana no mamaha izany. Fa ny tena goavana, ny toe-tsaina. Tsy mety mitodika amin’ny maha Malagasy azy, ohatra, ny tanora sasany indrindra fa ireo miaina an-tanàn-dehibe. Ny fiarahamonina sy ny ray aman-dreny no anisan’ny nahatonga izany. Tokony haverina amin’ny alalan’ny lalàna ny soatoavina sy ny kolontsaina malagasy ?
Miroborobo fatratra ankehitriny ny fampianarana zavapanahy. Samy milaza sy maneho fa mahay azy io ny ankamaroan’ny anti-panahy sy ny tanora. Tranga mila fitandremana fatratra, satria, mety hitarika any amin’ny zava-tsy manjary, raha tsy voatandrina. Ny mahavariana, ny fomba amam-panao malagasy no fototra iaingan’ny ankamaroan’ireny milaza ho mpahay zava-panahy ireny. Vao mainka mila fitandremana fatratra.