Hankalazaina ny faran’ny volana jona ho avy izao, ny Andro iraisam-pirenen’ny fanatanjahantena. Anisan’ny firenena mikarakara izany i Madagasikara.
Araka ny valandresaka natao tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly, hotanterahina ny 28 hatramin’ny 30 jona ho avy izao, ny hetsika fankalazana ny Andro iraisam-pirenen’ny fanatanjahantena. Mandray anjara mavitrika amin’izany ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), izay tarihin’ny minisitra Moustapha Marson Abdulah. Mpandray anjara maherin’ny 4 000 no antenaina ho avy mandritra izany.
Mizara roa ny hetsika hotontosaina mandritra izany. Anisany ny fanaovana ny « Salon national des sports » sy ny hazakazaka mitety natiora, “Urban Trail” andiany fahafito.
Tanjon’ity hetsika ity ny hisarihana ny tanora hisehatra misimisy kokoa amin’ny resaka fanatanjahantena ary eo ihany koa ny fampahafantarana sy ny fifampizarana mahakasika ireo taranja sy ny rafitry ny federasionina izay misy eto Madagasikara. Nilaza ireo mpiara-miombon’antoka amin’ity hetsika ity fa sambany teo amin’ny tantara no nandray anjara mavitrika ny minisitera. Efa zava-dehibe amin’ny fampivoarana ny tontolon’ny fanatanjahantena sy ny tanora malagasy ny fikarakarana ny hetsika tahaka izao.
« Manentana sy mampirisika ireo tanora rehetra ny tenako, ho avy amin’ireo fotoana ireo. Singa iray manan-danja lehibe amin’ny firenena iray ny fanatanjahantena, sady mampandroso izy io, mampiray hina ny Malagasy maro », hoy ny minisitra Moustapha Abdulah Marson.
Tsara ny mampahatsiahy fa ity minisitra ity, izay angady nananana sy vy nahitana nahafahan’i Madagasikara hampiantrano ny fihaonamben’ny tanora “Youth Connekt Africa 2025”, izay hatao ny volana novambra ho avy izao.
Fitia Randria