Notolorana mariboninahitra Commandeur de l’ordre national, ny Pr. Lily-Arison René de Roland, omaly. Natao izany noho ny nahazoany ny loka iraisam-pirenena Indianapolis 2025, vokatry ny fikarohana sy ny fiarovana ny karazan-javamananaina eto Madagasikara. Nisolo tena ny filoham-pirenena sy ny governemanta nanolotra izany ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, Andonirina Max Fontaine.
Miakatra tsikelikely ny vidin’ny enta-madinika eny an-tsena amin’izao. Ankehitriny, lasa 8 900 ny litatry ny menaka eny amin’ireo mpamongady, tafakatra 9 500Ar izany eny amin’ny mpaninjara. Manomboka miakatra ihany koa ny vidin’ny atody amin’izao ankatoky ny fety izao, izay lasa 800Ar, manampy trotraka ny hatsiaka izay mampihena betsaka ny vokatra sy ny fiakaram-bidin’ny katsaka. Misy kosa ireo mbola mivarotra izany amin’ny vidiny teo aloha.
Tandindonin-doza hatrany amin’ny 40 % ny velaran-tany maneran-tany. Mampanahy ny fiantohana ara-tsakafo sy ny fivelomantsika ary ny natiora noho ny fitrandrahana diso tafahoatra ny tontolo iainana. Mila harenina ny rohivoahary hiantohana hoavy mamiratra ho an’ny taranaka. Miteraka asa sy mampidi-bola ny fikajiana izany ary miantoka ny famokarana sy ny fampandrosoana ny toekarena.