Nifarana omaly ny fandraisana anjaran’ny judokas malagasy, Rasoanaivo Razafy Laura, tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, sokajy Seniors. Fifaninanana notontosaina tany Budapest, nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Na dia raraka teo amin’ny ampahavalon-dalana aza i Laura, nampiaiky ny maro ny zava-bitany, nandritra ity fifaninanana goavana maneran-tany ity. Vao nanomboka ny ady voalohany natrehiny izy dia efa nampiseho teknika avo lenta sy nisongadina nanoloana ny mpifanandrina taminy. Ippon tamin’ny alalan’ny Uchi mata no nandavoany ilay teratany Danoise. Raha hiverenana ny ady natrehiny teo amin’ny ampahavalon-dalana, teratany Néerlandaise no nifanehatra taminy ka nandresy azy. Tsiahivina fa laharana fahadimy maneran-tany ity mpifanandrina taminy ity. Ny fifaninanana “Grand Slam” hatao any Mongolie indray no miandry an’i Laura manaraka.
Mi.Raz




