Manjakandriana : Lehilahy maty notetezin’ ny lamasinina

Potika ny vatan’ilay lehilahy notetezin’ny lamasinina tao amin’ny fokontany Manankasikely, kaominina Manjakan­driana, ny alatsinainy 16 jona teo. Mifanila amin’ny lalam-pirenena ny lalamby ao amin’io toerana io. Nijanona tamin’ny sisin-dalana ny fiara an’olon-tsotra izay nitondra io lehilahy io. Nivoaka ary naka sisiny tamin’ny lalamby ity farany ary niantso an-telefaonina, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Tsy naheno ny fisian’ny lamasinina izay efa nanakaiky azy, araka izany, io lehilahy io, fa variana tamin’ny findainy. “Nam­paneno anjomara ny lamasinina saingy tsy ren’io lehilahy io izany”, hoy ny nambaran’ny nanatri-maso nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Vokany, voadona ilay lehilahy ka voahitsaka avy hatrany. Namoy ny ainy izy.

Tsiferana R.

Partager sur: