SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny ampahavalon-dalana, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, ho an’ny Sokajy N1B. Fifaninanana tanterahina any Fianarantsoa, nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny hifandona ny JCBA sy ny ASLFA, eo amin’ny sokajy vehivavy.

Misolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja “Gymnastique Rythmique”, Rakotonirina Tiara. Fandraisan’anjara voalohany ho an’i Madagasikara ity fifaninanana tanterahina any Bulgarie ity. Misy ny fahafahana mifidy ireo mpifaninana ao amin’ny tambajotran-tserasera.

Anisan’ny hifanandrina mandritra ny “Combat Avenir 5”, taranja kick boxing, karakarain’ny Lion Force, i Lavakely sy i Jean Claude, eo amin’ny sokajy latsaky ny 57 kg. Fifaninanana hotontosaina ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny 22 jona ho avy izao.

Misaona ny tontolon’ny fanatanjahantena ma­lagasy. Nodimandry ny talata 17 jona, teo amin’ny faha-74 taonany, Rakotonirina Jean Paul na Papabe Jean Paul ho an’ireo nifanerasera taminy. Nitondra anjara biriky tamin’ny fandresena azon’ny atleta malagasy tamin’ny lalao iraisam-pirenena maro izy.

Partager sur: