Tafakatra 19 ny maty : Olona dimy voasambotra, namosaviana ireo mpilanona

Nanamafy ny governemanta fa ”famosaviana” niniana natao tamin’ny poizina mahery tao anatin’ny mofo ”donut” no niseho teny Ambohimalaza. Olona dimy voasambotra, hiakatra fampanoavana. Tafakatra 19 ireo namoy ny ainy.

“Dimy ireo olona voasambotra miatrika fa­nadihadiana eny anivon’ny zandarimaria amin’izao fotoana izao”, hoy ny minisitra delege misahana ny Zandari­ma­riam-pirenena, ny jeneraly Andriantsarafara Andriamitovy Rakotondra­zaka, omaly. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny hopitaly HJRA ny mpikambana vitsy ao amin’ny go­vernemanta. Efa mandeha ny fanadihadiana sy famotorana ireo ahiahiana, hoy izy.
Hatreto, tsy mbola fantatra mazava ny poizina nampiasaina sy ny antony namonoana ireo mpilanona. Ny hany voamarina dia famosaviana niniana natao izy iny. Mana­mafy izay rahateo ny minisitry ny Fahasalamana, ny Pr Randriamanantany Zely Arivelo. Nambarany fa ilay mofo “donut“ izay nohanina no nisy poizina. “Nisy ny fakana ny loan’ireo narary sy ny ambin-tsakafo ka nanaovana andrana tamin’ny voalavo. Maty avokoa ireo biby ireo fo­toana fohy taorian’izay”.
Aorian’ny fanadihadiana sa­varanonando, hiakatra fampanoavana ny raharaha sy ireo olona mety ho voarohirohy. “Ho hentitra ny eo anivon’ny fitsarana hijery ny vesatra miandry ireo olona mifandraika amin’ny zavatra nataony, na an-kolaka na mivantana“, hoy ny Tonia mpampanoa la­làna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany, Rakotoniaina Narindra Nava­lona. Ampidirina am-ponja vonjimaika ary hentitra amin’ny fisakanana ny fangatahana fahafahana vonjimaika ny fitsarana.

Mirongatra
Miteraka savorovoro sy firoharohan-tsaina ho an’ny va­hoaka Malagasy ny firongatry ny fahapoizinana ara-tsakafo (intoxication alimentaire). Olona telo no namoy ny ainy tany Mahajanga, afakomaly alina. Voapoizina ta­min’ny “mortadelle” izy telo mi­anaka. Nisy zaza vao roa taona namoy ny ainy. Efa nidina ifotony nijery ilay magazay lehibe nividianana izany ny ma­nam-pahefana, omaly.
Nisy tranga iray hafa ihany koa tany Toamasina, olona eni-mianaka no tsy maintsy naiditra hopitaly. Nihinana godrogodro nisy sokolà, novidiana teny amoron-dalana izy ireo. Nidina ifotony, nizaha ny zava-misy ny tomponandraikitra any an-toerana, vantany vao niseho ny loza.
Nitondra ny teny fampiononana sy fankaherezana ta­min’ny anaran’ny fitondram-panjakana ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Volamiranty Donna Mara.

Mino / Sajo

Partager sur: