« Yas Coupe de Madagascar » : Natao antsapaka ny lalao ampahefa-dalana

Nanaitra ny maro ny naheno fa natao antsapaka indray ny lalao ampahefa-dalan’ny Yas Coupe de Madagascar. Efa fantatra mialoha ny ampahavalon-dalana teo anefa ny mpifanandrina ho an’ny tsirairay tafakatra amin’ny dingana manaraka.

Fomban’ny tompom-baolina sa fandaminana? Natao antsapaka indray, omaly, teny Isoraka, ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra, «Yas Coupe de Ma­dagscar». Samy tsy nanampo ity fanapahan-kevitra ity avokoa na ireo Ma­lagasy mpitia baolina kitra na ireo mpitondra klioba eto Ma­da­gasikara, izay mbola mifaninanana amin’izany. Etsy ankilany, nilaza tao amin’ny pejiny ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa araka ilay andinin-dalàna faha-13 mamaritra ny fifanintsanana no antony iray nanaovana io fanapahan-kevitra io. Marihi­na fa klioba fito amin’ireo valo tafita amin’ity dingana ity no mifanintsana amin’ny PFL, raha toa ka solontenan’ny ligin’Analamanga ny iray sisa, dia ny Toulon FA. Anisan’ ireo klioba PFL mbola ao ny CFFA, Cosfa, Inate FC Rou­ge, Ajesaia, AS Fanalaman­ga, Elgeco Plus ary ny AS Avenir Sainte-Anne. Taorian’ ilay antsapaka natao teny Andraharo, ny volana mey lasa teo, efa voafaritra avokoa ny fandaharan-dalao ha­tramin’ny famaranana, izay hotontosaina ny 7 jolay ho avy izao. Tsiahivina fa hatao manomboka ny 21 jona, eny amin’ny Kianjan’ny Elge­co Plus By-Pass ihany, ny ampahefa-dalan’ny «Yas Cou­pe de Madagascar». Ampahafantarina fa mbola manohy ny fifanintsanana amin’ity Yas Coupe ity, ny tompon’ny amboara farany, ny Elgeco Plus de Mada­gascar.

 

F.R

Ireo voasarika tao anaty an­tsapaka :
Sabotsy 21 jona : As Fana­lamanga vs Ajesaia
Alahady 22 jona : Elgeco vs Toulon FA ; Fc Rouge vs Cosfa ; CFFA vs As Ste Anne Avenir. ar.

Partager sur: