Nifandona tamin’ny dahalo : Mpanara-dia iray namoy ny ainy, telo naratra

Maty voatifitry ny dahalo ny mpanaradia taorian’ny fifandonana tao Ankaditapaka, fokontany Mahazoarivo, kaominina Belobaka, afakomaly. Omby efatra norobain’ny dahalo telo lahy izay samy nitam-basy, tao an-toerana, tamin’ny 11 ora alina. Nianavaratra ireo mpandroba ka nanara-dia ny vatan-dehilahy tao an-tanàna. Nirefodrefotra ny basy tamin’ny 2 ora maraina. Lavon’ireo tsy valahara tamin’izany ny lehilahy iray anisan’ireo mpanaradia. Rakotra diam-balan’ny dahalo ny vatany. Naratra ny telo hafa. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana avy hatrany ireo olona telo ireo. Nanohy ny fikarohana ireo dahalo ny zandary miasa ao an-toerana. Tafaverina ny omby iray raha toa ka mbola eny am-pelata­nan’ireo olon-dratsy ny namany. Mananosarotra ho an’ireo mpanaradia ny fananan’ny dahalo fitaovam-piadiana mahery vaika ahafahany mifampitana amin’ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

 

Partager sur: