SOMBIM-BAOVAO

Niady ny fifandonan’ny ekipa Phoenix Vakinan­karatra sy ny Sepa ABM Boeny, sokajy vehivavy nandritra ny ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1B, tanterahina any Fianarantsoa. Isa 72 no ho 69 no nisarahan’ny roa tonta, nandresy ny Phoenix.

Hotontosaina ny 29 jona izao ny fifaninanana “Top Fight”, taranja kick boxing, karakarain’ny ligin’ny kick boxing Matsiatra Ambony. Fifaninanana eo amin’ny K1 Rules sy Low kick no hifaninanana ary hisy koa ny “Combat de défi”. Ao amin’ny kianja mitafo Ambatomena no hanaovana izany.

Nahoraka tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, fa voatery nampidirina hopitaly i Kylian Mbappé, frantsay mpilalao baolina kitra, noho ny aretin-kibo mahazo azy. Tsy afaka hiatrika ny lalaon’ny Real Madrid, any amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, araka izany, izy. Marihina fa nisaraka ady sahala 1 no ho 1, teo anatrehan’ny Al Hilal, Arabia Saodita, ny Real Madrid, afakomaly.

Maro amin’ireo taranja misy eto Madagasikara no tsy dia mihetsika firy. Mahagaga anefa, manana mpitantana ara-dalàna izy ireny saingy tsy mihetsiketsika mihitsy, hatramin’ny omaly. Anisan’ireo tsy dia hita firy ny taranja bisikileta. Ity farany izay taranja anisan’ny manana ny maha izy azy eo anivon’ny ranomasimbe Indianina.

Partager sur: