Fifaninanana goavana no miandry ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay lahy sy vavy, amin’io herinandro ho avy io. Hiatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety lalaovin’olona telo i Madagasikara, ny 23 hatramin’ny 27 jona izao, any Mongolie. Nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel, fa miankina tanteraka amin’ireo mpilalao ny vokatra ho azon’izy ireo amin’io fifaninanana io. Efa ela no nanomanan-tena, hoy izy, ary nanao ny ezaka tandrify azy na ny federasionina na ny mpanazatra. Vao nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo ihany koa ny fankatoavana ny fanohanan’ny fanjakana ny fandehanan’ny atleta malagasy hiatrika ity fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3, any Mongolie ity. Tsiahivina fa efa any Mongolie, nanomboka tamin’ny alahady teo, ny mpilalaon’ny Ankoay vavy: i Muriel, Sydy, Chine ary Christiane. Natao izany mba hahafahan’izy ireo mizatra ny toetany sy ny kianja ary hialana amin’ny harerahana amin’ny fahateren’ny fotoana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny federasionina, Ramaroson Jean Michel. Tsara ny manamarika fa fandraisan’anjara voalohany ho an’ny Ankoay vavy ity fiadiana ny amboara maneran-tany any Mongolie ity. Ho an’ny Ankoay lahy kosa: Arnol, Elly, Livio ary i Anthony, efa niatrika lalao iraisam-pirenena maromaro tany Serbie izy ireo mialoha ny nihazoana an’i Mongolie. Araka izany, azo lazaina ho tsara fanomanana izy ireo saingy ho hita eo izay ho ataony amin’ny herinandro, hoy hatrany ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny basikety.
Mi.Raz




