Baolina kitra – « Yas Coupe de Madagascar » : Hanokatra izany ny Ajesaia sy ny As Fanalamanga

Hotontosaina, anio sy ra­hampitso, eny By-Pass, ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madaga­sikara, « Yas Coupe de Mada­gascar », taranja baolina kitra. Anisan’ny fifanandrinana andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Ajesaia Bongo­lava sy ny As Fanalamanga, avy ao Moramanga. Hatao androany amin’ny 2 ora, eny an-toerana, ity fihaonana ity. Tsara ny mampahatsiahy fa mbola manala vela ny mpi­lalaon’Alaotra Mangoro. Ny volana marsa lasa teo, lavon’ny Ajesaia, 1 no ho 0, ny As Fanalamanga, nandritra ny fihaonana isam-bondron’ny ‘World Cola PFL’. Ankoatra izay, adin’ny samy avy eny Atsimondrano ny lalaon’ny CFFA sy ny As Avenir Ste Anne. Ampahatsiahivina ihany fa tamin’ity “Yas Coupe de Madagas­car” ity, natao antsapaka hatrany ny lalao ampahavalon-dalana sy ny ampahefa-dalana. Hifarana ny 7 jolay ho avy izao ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara. Ny Elgeco Plus no tompon’ny amboara farany.

Fitia Randria

Partager sur: